VINANTOVAVY
Ny vadin’ny zanakalahy. Ilay teny hebreo hoe kallah sy ilay teny grika hoe nymfe no nadika hoe vinantovavy. Samy nadika hoe “ampakarina” koa izy ireo indraindray.—To 4:8-12; Is 61:10; Je 7:34; Jn 3:29; Ap 18:23; 21:2, 9; 22:17.
Fahiny, dia ny raim-pianakaviana mazàna no nitady vady ho an-janany lahy, ka azo lazaina hoe izy no nifidy ny vinantovaviny. (Ge 24) Noraisina tsara ho anisan’ny ankohonan’ny rafozandahiny ny vinantovavy, ary niara-nifindra tamin’izy ireo. (Ge 11:31) Nomelohin’ny Lalàn’i Mosesy ho faty izay nanao firaisana tamin’ny vinantovaviny.—Le 18:15; 20:12; Ezk 22:11.
Nisy vinantovavy nifandray tsara tamin’ny havam-badiny, ary nisy kosa tsy toy izany. I Orpa, ohatra, tsy nanao toa an’i Rota izay nifikitra sy tsy nivadika tamin’i Naomy rafozambaviny. Hoy i Rota: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro. Izay toerana ahafatesanao no hahafatesako.” (Rt 1:6-17, 22; 4:14, 15) Nampiady saina an’i Isaka sy Rebeka ireo vehivavy hetita vinantovaviny vadin’i Esao. (Ge 26:34; 27:46) Efa nilaza i Kristy Jesosy fa hisara-bazana ny rafozambavy sy ny vinantovavy rehefa nisy tamin’izy ireo nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Lk 12:53.