FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fiterahana”
  • Fiterahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiterahana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiterahana teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ny fiterahana amin’ny andro farany: andraikitra mavesatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fanaintainan’ny Mihetsi-jaza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fiterahana”

FITERAHANA

Fitahiana nomen’ny Mpamorona ho an’ny vehivavy ihany. Noforonina mba hiteraka ny vehivavy, ary nomeny taova mety amin’izany. Nomena baiko hameno ny tany ny mpivady voalohany tao Edena, ary naverina indray izany tamin’ireo olona tafavoaka velona tamin’ny Safodrano. Tsy ho tanteraka anefa izany baiko izany raha tsy bevohoka sy miteraka ny vehivavy. (Ge 1:28; 9:7) Nanota sy tsy nankatò anefa i Adama sy Eva, ka hoy i Jehovah tamin’i Eva: “Hataoko mihamafy ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao. Hanaintaina ianao rehefa hiteraka.”​—Ge 3:16, jereo FAHATERAHANA; FANAINTAINAN’NY MIHETSI-JAZA.

Efa voajanahary amin’ny vehivavy àry ny faniriana hiteraka sy hitaiza ka mety tsy hilamina mihitsy izy raha tsy afa-po izany faniriana izany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hampirisika ny mpitondratena tanora mba hanambady sy hiteraka, fa tsy handany andro hitety tranon’olona ka ho ‘mpifosafosa sy hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona.’ (1Ti 5:11-15) Nilaza i Paoly fa ‘ho voaro noho ny fiterahana’ ny vehivavy kristianina, “raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahaiza-misaina.”​—1Ti 2:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara