FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lambo”
  • Lambo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lambo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2011
  • Hezira
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ratsy ve ny Mihinan-kena?
    Mifohaza!—1997
  • Tena Misy ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lambo”

LAMBO

[Heb.: hazir].

Biby resahin’ny Salamo 80:13 hoe nitrongy tanimboaloboka tsy nisy mpiambina. Iray karazana amin’ny kisoa ny lambo (Sus scrofa), ary mbola misy azy io any amin’ireo heniheny any Palestina.

Mety hilanja 160 kg eo ho eo ny lambo lehibe, efa ho 1,5 m ny lavany, ary 1 m ny haavony hatreo amin’ny hatony. Mety tsara hitrongisana fakan-javamaniry any an’ala ny vavany. Fitaovam-piadiana mahery vaika mahavita mandratra mafy soavaly kosa ny vanginy, indrindra fa ny an’ny lahy. Mampidi-doza ny lambo sady mpanimba zavatra. Mahavita manimba tanimboaloboka iray manontolo ao anatin’ny iray alina, hono, ny lambo maromaro. Izay avy amin’ny zavamaniry, toy ny faka sy voa, no fihinany, nefa mihinana sakafo samihafa toy ny kankana, sifotra, biby madinika, atodim-borona, sy ny toy izany, koa izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara