FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 9 p. 28-p. 29 feh. 1
  • Nanan-janaka Ihany Tamin’ny Farany!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanan-janaka Ihany Tamin’ny Farany!
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Nantsoin’Andriamanitra hoe “Andriambavy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Saraha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Abrahama sy Saraha—Tahafo ny Finoan’izy Ireo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • “Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 9 p. 28-p. 29 feh. 1
Ao anaty tranolay i Saraha, mihaino ny resaky ny anjely amin’i Abrahama

LESONA 9

Nanan-janaka Ihany Tamin’ny Farany!

Efa mpivady efa ela be i Abrahama sy Saraha tamin’izay. Rehefa niala tao amin’ilay trano tsara be nipetrahany tany Ora ry zareo, dia lasa nipetraka tao anaty tranolay. Tsy nitaraina anefa i Saraha, satria natoky an’i Jehovah.

Te hanan-janaka mafy i Saraha, dia hoy izy tamin’i Abrahama: ‘Alaivo ho vady i Hagara mpiasako. Dia raha manan-janaka izy, dia ho hoatran’ny hoe zanako ihany ny zanakareo.’ Niteraka lahikely i Hagara tatỳ aoriana. Ismaela no anarany.

Bevohoka i Saraha

Nisy lehilahy anankitelo tonga nitsidika an-dry Abrahama, taona maromaro taorian’izay. Efa 99 taona i Abrahama, ary 89 taona i Saraha. Nasain’i Abrahama nipetrapetraka teo ambanin’izay hazo iray izay izy telo lahy, ary nomeny sakafo. Fantatrao ve hoe iza ireo vahininy ireo? Anjely! Hoy ry zareo tamin’i Abrahama: ‘Hanan-janakalahy ianareo mivady, amin’ny herintaona hoatr’izao.’ Tao anaty tranolay i Saraha tamin’izay nihaino resaka. Nihomehy izy sady nieritreritra hoe: ‘Izaho efa antitra be ity koa ve dia mbola hiteraka?’

Niteraka lahikely tokoa i Saraha, herintaona taorian’izay, araka ny tenin’ilay anjelin’i Jehovah. Nataon’i Abrahama hoe Isaka ny anarany. “Fihomehezana” no dikan’ilay hoe Isaka.

Hitan’i Saraha nanambanimbany an’i Isaka foana i Ismaela, tamin’i Isaka dimy taona teo ho eo. Te hiaro ny zanany i Saraha, dia nasainy noroahin’i Abrahama i Hagara sy Ismaela. Tsy nety i Abrahama tamin’ny voalohany. Te hiaro an’i Isaka koa anefa i Jehovah, dia hoy izy: ‘Ataovy izay asain’i Saraha ataonao. Ao fa hokarakaraiko i Ismaela. I Isaka anefa no hofidiko rehefa hanatanteraka an’izay noteneniko taminao aho.’

Saraha, mitazona an’i Isaka. Lasa i Hagara sy Ismaela

“Finoana koa no nahatonga an’i Saraha ho bevohoka. ... Nieritreritra mantsy izy hoe tsy mivadika amin’ny teniny Ilay nampanantena azy.”​—Hebreo 11:11

Fanontaniana: Inona no notenenin’ny anjely tamin’i Abrahama dia henon’i Saraha? Ahoana no niarovan’i Jehovah an’i Isaka?

Genesisy 16:1-4, 15, 16; 17:25-27; 18:1-15; 21:1-14; Hebreo 11:11

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara