FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lc p. 29
  • Mety Daholo ve Izay Inoanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety Daholo ve Izay Inoanao?
  • Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-dehibe ve Izay Inoanao?
    Mifohaza!—2006
  • Inona no Tena Mampisy Heviny ny Fiainana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Inona no Antony Ahavelomantsika?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?
lc p. 29

Mety Daholo ve Izay Inoanao?

Tovovavy

Nahoana no misy ny olombelona, araka ny hevitrao? “Tsy hitako izay tena antony nampisy ny olombelona na izao rehetra izao”, hoy i William Provine, manam-pahaizana momba ny evolisiona.32 Nisy vokany be teo aminy mantsy ny zavatra fantany momba ny evolisiona.

Raha marina ny tenin’i Provine, dia velona mba hanao zavatra tsara kely fotsiny ianao, ary hanan-taranaka mitovy bika na toetra aminao, dia izay ihany. Tsy hisy intsony mandrakizay ianao rehefa maty. Kisendrasendra fotsiny koa ny nanananao atidoha misaina sy afaka mieritreritra ny antony mampisy ny olombelona.

Maro amin’ireo mino ny evolisiona koa no milaza fa tsy misy Andriamanitra, na tsy miraharaha ny olona izy. Raha marina izany, dia hiankina amin’izay ataon’ny mpanao politika sy ny manam-pahaizana ary ny mpitondra fivavahana ny hoavintsika. Hitohy foana koa ny korontana sy ny ady ary ny kolikoly, izay efa nanimba ny fiaraha-monina hatramin’izay. Raha marina ny evolisiona, dia tsy omen-tsiny isika raha manao hoatran’ny olona sasany hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”—1 Korintianina 15:32.

Misy zavatra lehibe resahin’ny Baiboly anefa. Voalaza ao hoe: “[Andriamanitra] no loharanon’aina.”—Salamo 36:9.

Raha marina izany, dia tsy maintsy misy antony matoa izy namorona ny olombelona. Milaza ny Baiboly fa mikasa hanao zavatra tsara ho an’izay rehetra manao ny sitrapony izy. (Mpitoriteny 12:13) Mampanantena, ohatra, izy fa hanome azy ireo fiainana tsy misy korontana sy ady ary kolikoly. Hofoanany hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza.—Salamo 37:10, 11; Isaia 25:6-8.

Olona an-tapitrisany eran-tany àry no mianatra momba an’Andriamanitra sy mankatò ny teniny. Mino mantsy izy ireo fa izany ihany no tena hahasambatra azy. (Jaona 17:3) Tena marim-pototra izany zavatra inoany izany, satria miharihary fa nisy namorona ny zava-drehetra.

Ahoana no havalinao?

  • Inona no inoanao kokoa? Hoe nisy namorona isika, sa nivoatra miandalana avy tamin-javatra tsy mananaina? Nahoana ianao no mino izany?

  • Nahoana ianao no mila mandinika raha tena marina na tsia izany zavatra inoanao izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara