FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp2 toko 17 p. 142-146
  • Tsara ve ny Minamana Be Amin’ny Mpiara-mianatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsara ve ny Minamana Be Amin’ny Mpiara-mianatra?
  • Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana ianao no mila mitandrina?
  • Inona àry no azonao atao?
  • Diso Mifandray Loatra Amin’ny Mpiara-mianatra Amiko ve Aho?
    Mifohaza!—2006
  • Ahoana no Hahazoako Namana Hendry?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Tokony Hiova Namana ve Aho?
    Mifohaza!—2009
  • Fidio Tsara ny Namanao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
yp2 toko 17 p. 142-146

Toko 17

Tsara ve ny Minamana Be Amin’ny Mpiara-mianatra?

“Rehefa mahita ankizy tafaraka aho indraindray, dia mieritreritra hoe: ‘Oay e! Mpinamana be ry zareo! Raha mba lasa naman’ireo koa mantsy aho!’ ”—Fetra.

“Mora tamiko ny ninamana tamin’ny ankizy tany am-pianarana, ka izay no olana.”—Felana.

MILA namana daholo isika, mba hiara-mifaly amintsika amin’ny fotoana mahafinaritra, ary hianteherantsika amin’ny fotoan-tsarotra. Nana-namana i Jesosy, ary nahafinaritra azy ny niaraka tamin’izy ireo. (Jaona 15:15) Anisan’izany i Jaona, “ilay mpianatra tiany.” Mpinamana be ry zareo. Tsy niala teo akaikin’i Jesosy i Jaona, rehefa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana izy. (Jaona 19:25-27; 21:20) Mila namana toy izany koa ianao, dia olona hiaraka aminao foana, na amin’ny mora na amin’ny sarotra!

Angamba ianao nahita namana iray na roa toy izany tany am-pianarana. Tonga dia nifankahazo tsara ianareo. Mitovy ny zavatra tianareo, ary satrinareo hiresaka foana. Toa tsy “naman-dratsy” ny fahitanao azy. (1 Korintianina 15:33) Hoy i Anna: “Hitanao foana ry zareo isan’andro, dia lasa tsy mihafahafa mihitsy ianao rehefa tafaraka aminy. Tsy hoatran’izany kosa ianao rehefa miaraka amin’ny mpiara-manompo, satria tsy maintsy tandritandremanao indraindray izay lazainao sy ataonao.” Mety hitovy hevitra amin’i Louisa koa anefa ianao. Hoy izy: “Tiako ho hitan’ny namako hoe tsy olona hafahafa hoatran’ny fiheverana azy ny Vavolombelon’i Jehovah, fa mitovy amin’ny olon-drehetra ihany.” Tsara àry ve ny minamana be amin’ny mpiara-mianatra?

Nahoana ianao no mila mitandrina?

Jereo izay nitranga tamin’i Felana. Sariaka be izy, ka mora nahazo namana. Lasa tsy hainy anefa ny nanavaka izay namana tsara sy ratsy. Hoy izy: “Faly aho rehefa tian’ny ankizy, na lahy na vavy. Lasa nanaraka tsikelikely ny fanaon’izao tontolo izao aho, ka saika tsy afaka intsony.” Toy izany koa no nanjo an’i Louisa. Hoy izy: “Nifindra tamiko ny toe-tsain’ny namako. Lasa nanao ny fanaony koa aho.”

Tsy mahagaga izany. Raha te hinamana be amin’ny olona iray mantsy ianao, dia tsy maintsy ampitovinao amin’ny azy ny zavatra tianao sy ny fitsipika arahinao. Raha olona tsy tia ny zavatra inoanao sy ny fitsipika arahinao ao amin’ny Baiboly no ataonao namana, dia tsy maintsy ho lasa maditra toa azy ianao. (Ohabolana 13:20) Tsy mahagaga raha hoy ny apostoly Paoly: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.”—2 Korintianina 6:14.

Inona àry no azonao atao?

Te hilaza ve i Paoly hoe tokony hihatakataka na hiavonavona amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao? Tsia! Mila mahay mifandray amin’ny olona avy amin’ny foko sy fivavahana ary firenena rehetra ny Kristianina. Nirahina ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’ mantsy izy ireo.—Matio 28:19.

Tena modely tsara i Paoly tamin’io lafiny io. Hainy ny niresaka tamin’ny “karazan’olona rehetra”, na dia tsy nitovy finoana taminy aza izy ireny. (1 Korintianina 9:22, 23) Azonao tahafina izy. Miezaha ho sariaka amin’ny mpiara-mianatra. Mianara miresaka tsara aminy. Tandremo anefa sao maka tahaka ny fiteniny sy ny fitondran-tenany. Vao manomboka ny taom-pianarana, dia hazavao amim-panajana hoe nahoana ianao no mifidy ny hankatò ny fitsipiky ny Baiboly.—2 Timoty 2:25.

Marina fa ho hita hoe hafa noho ny ankizy rehetra ianao, ary ho mafy aminao izany. (Jaona 15:19) Eritrereto anefa izao: Aoka hatao hoe rendrika ny sambo nisy anao. Efa ao anaty lakan’aina ianao. Mbola feno olona efa ho faty an-drano anefa manodidina anao. Inona no fomba tsara indrindra azonao amonjena azy? Hitsambikina avy ao amin’ilay lakana ve ianao, mba ho eny aminy? Mazava ho azy fa tsia!

Maro amin’ny mpiara-mianatra aminao no tsy naman’i Jehovah, ka tsy arovany. (Salamo 121:2-8) Raha tsy mankatò ny fitsipiky ny Baiboly anefa ianao, satria fotsiny hoe te hinamana amin’izy ireo, dia ianao indray no mety hiala amin’i Jehovah, ka tsy ho sambatra intsony. (Efesianina 4:14, 15; Jakoba 4:4) Tsy aleo lavitra ve manampy azy ireo hiakatra ao amin’ilay lakan’aina, izany hoe manoro azy ny fomba hanompoana an’i Jehovah? Tena namana ianao raha manao izany!

ANDININ-TENY

“Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.”—1 Korintianina 9:23.

SOSO-KEVITRA

Te hahalala ny zavatra inoanao ve ny mpiara-mianatra aminao, ka mihaino tsara anao? Henoy tsara koa ny heviny momba izany. Rehefa miresaka aminy ianao, dia mitenena “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.”—1 Petera 3:15.

FANTATRAO VE... ?

Olona maro no lasa mpanompon’i Jehovah, satria nisy mpiara-mianatra taminy sahy nitory tamin’izy ireo.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko, raha lasa minamana be loatra amin’ny mpiara-mianatra aho: ․․․․․

Izao no hataoko, raha hihomehezan’ny ankizy aho noho ny zavatra inoako: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no toa mora kokoa ny mahazo namana any am-pianarana, noho ny eo anivon’ny fiangonana?

● Inona no mety ho voka-dratsiny, raha miara-miala voly amin’ny namana tsy Kristianina ianao, rehefa tsy mianatra?

● Inona no soa ho azonao, raha lazainao amin’ny mpiara-mianatra aminao fa Vavolombelon’i Jehovah ianao?

[Teny notsongaina, pejy 143]

Mora nahazo namana aho tany am-pianarana, satria nanao ny fanaon’ny ankizy. Tena fay aho. Tsy minamana afa-tsy amin’ny ankizy ao amin’ny fiangonana aho izao. Ry zareo ihany tsinona no tena namana.’’—Daniel

[Sary, pejy 146]

Inona no fomba tsara indrindra azonao amonjena olona efa ho faty an-drano? Hitsambikina ho eny aminy ve, sa hanipy zavatra hamonjena azy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara