FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 5 p. 8-9
  • Hiaina ao Amin’ny Paradisa Ireo Naman’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hiaina ao Amin’ny Paradisa Ireo Naman’Andriamanitra
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy Fiainana Tsara Kokoa Ampanantenaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Paradisa
    Mifohaza!—2013
  • “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 5 p. 8-9

LESONA 5

Hiaina ao Amin’ny Paradisa Ireo Naman’Andriamanitra

Tsy hitovy amin’izao fiainantsika izao ny Paradisa. Feno zava-manahirana, fijaliana, fahoriana, ary alahelo eto an-tany. Tsy tian’Andriamanitra anefa izany. Hanova ny tany ho paradisa izy amin’ny hoavy. Hanao ahoana ny fiainana amin’izany? Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly:

Olona maromaro miaraka mitsangantsangana sy misakafo, ao amin’ny Paradisa

Tsara fanahy ny olona. Ireo naman’Andriamanitra no honina ao amin’ny Paradisa. Hifanampy izy ireo, ary hanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra.—Ohabolana 2:21.

Betsaka ny sakafo. Tsy hisy olona tsy ampy sakafo intsony ao amin’ny Paradisa. Hoy ny Baiboly: “Hahavoka-bary betsaka ny tany.”—Salamo 72:16.

Ao amin’ny Paradisa, olona manao trano, manangona vokatra, ary reny anankiray miampofo ny zanany vavy

Hanana trano tsara sy asa mahafinaritra ny olona. Samy hanana ny tranony ny fianakaviana rehetra, ao amin’ny Paradisa. Ho faly amin’ny asany koa ny tsirairay.—Isaia 65:21-23.

Hisy fiadanana maneran-tany. Tsy hiady na ho faty noho ny ady intsony ny olona. Milaza ny Baiboly hoe: “Mampitsahatra ady [Andriamanitra].”—Salamo 46:8, 9.

Ho salama tsara ny olona. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao [amin’ny Paradisa] hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Tsy hisy kilemaina na jamba na marenina na moana intsony koa ao.—Isaia 35:5, 6.

Tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny alahelo ary ny fahafatesana. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

Tsy hisy ratsy fanahy intsony. Mampanantena i Jehovah hoe: “Ny ratsy fanahy ... hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”—Ohabolana 2:22.

Hifankatia sy hifanaja ny olona. Tsy hisy intsony ny tsy rariny sy ny fampahoriana. Ho foana koa ny fankahalana sy ny fitiavan-karena. Hiray saina sy hanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra ny olona.—Isaia 26:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara