TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?
Inona no Mahatonga ny Adin-tsaina?
Hoy ny lahatsoratra navoakan’ny Hopitaly Mayo, any Etazonia: “Milaza ny ankamaroan’ny olon-dehibe fa vao mainka mihamafy ny adin-tsainy. Miovaova ny fiainana, sady tsy hay izay havoakan’ny ampitso.” Ireto ny zavatra sasany mahatonga ny olona hiady saina:
Fisaraham-panambadiana
Fahafatesan’ny olona akaiky
Aretina
Loza
Heloka bevava
Rotoroton’ny fiainana
Zavatra asaina atao any am-piasana na any am-pianarana
Fitadiavam-bola