Mijery Internet ve ny Zanakao?—Inona no Tokony ho Fantatrao?
VAO haingana, dia nihevitra ny olona fa tsy tokony havela hijery Internet ao amin’ny efitranony ny ankizy, raha tsy tiana hijery zavatra vetaveta na mampidi-doza. Voalaza fa tokony hatao amin’ny toerana talaky maso ny ordinatera. Mbola hevitra tsara izany, nefa tsy ampy hiarovana ny ankizy intsony. Efa afaka mijery Internet mantsy izy, na aiza na aiza alehany. Efa misy Internet, ohatra, ny finday maro. Be dia be koa ny toerana ahitana Internet, toy ny cybercafé sy tranomboky. Ny ankizy hafa indray mankany amin’ny namany, toy ny fanaony. Tsy mahagaga àry raha tsy hain’ny ray aman-dreny izay ataon’ny zanany ao amin’ny Internet.
Fa inona tokoa no zavatra sasany tian’ny ankizy ao, ary inona no maharatsy azy ireny?
Inona izany? Hafatra an-tsoratra alefa amin’ny alalan’ny Internet.
Inona no itiavan’ny ankizy azy? Tsy lafo be ilay izy, nefa vetivety dia tonga any amin’izay namana na havana anoratana.
Inona no maharatsy azy? Mahazo e-mail avy amin’olon-tsy fantatra ianao indraindray. Manelingelina ilay izy, sady matetika no misy zavatra vetaveta na olona manao firaisana na habibiana. Ny hafa indray natao hisolokiana anao. Asainy soratanao, ohatra, ny mombamomba anao. Mety hanao izany tokoa ny ankizy mora fitahina. Tsy tsara àry ny mamaly an’ireny e-mail ireny, na dia hilaza fotsiny aza hoe tsy tokony handefasana intsony ianao. Ho hitan’ilay olona mantsy fa mpanoratra ao amin’ny Internet ianao, ka vao mainka handefasany e-mail be dia be.
TRANON-KALA NA SITE WEB
Inona izany? Toerana na pejy ao amin’ny Internet, ary misy lahatsoratra, sary, na zavatra hafa avy amina fikambanana, sekoly, mpivarotra, na olon-tsotra.
Inona no itiavan’ny ankizy azy? Misy an-tapitrisany amin’izy io ao amin’ny Internet, ka tsy sahirana mihitsy ny ankizy rehefa hividy zavatra, hanao fikarohana, hifandray amin’ny namana, na hitady hira na lalao video. Afaka manao an’ilay lalao izy na maka azy io. Azony henoina na alaina koa ilay hira.
Inona no maharatsy azy? Maro ny olona ratsy saina mampiasa ny Internet. Betsaka ny pejy mampiseho olona manao firaisana, ary mety hahita tampoka an’ilay izy ianao. Nilaza, ohatra, ny 90 isan-jaton’ny ankizy amerikanina 8 ka hatramin’ny 16 taona nadinadinina, fa efa nahita sary vetaveta tao amin’ny Internet. Teo am-panaovana devoara izy matetika no nipoitra tampoka izany!
Afaka miloka koa ny ankizy ao amin’ny Internet, ary mora hita ny pejy anaovana izany. Ny ampahefatry ny ankizilahy kanadianina 15 ka hatramin’ny 17 taona nadinadinina, no nilaza fa efa nijery pejy toy izany. Manahy àry ny manam-pahaizana, satria tena sarotra ialana ny filokana ao amin’ny Internet. Ankoatra izany, dia misy lahatsoratra milaza ao fa tsy mampaninona ny mizatra tsy misakafo.a Eo koa ny lahatsoratra mampirisika ny olona hankahala fivavahana sy foko sasany. Misy mihitsy aza manoro ny fomba fanaovana baomba na poizina na asa fampihorohoroana. Ahitana herisetra sy habibiana mahatsiravina koa ny lalao video maro ao amin’ny Internet.
CHAT ROOM NA TCHAT
Inona izany? Fandaharana ahafahana mifampiresaka an-tsoratra momba ny loha hevitra iray. Voaray sy voavaly eo no ho eo izay soratana.
Inona no itiavan’ny ankizy azy? Afaka mifampiresaka amin’olona maromaro mbola tsy nihaona taminy mihitsy izy, nefa mitovy hevitra na zavatra tiana aminy.
Inona no maharatsy azy? Maro ny olona ratsy saina mandray anjara amin’io fandaharana io, mba hitadiavana ankizy hanaovana firaisana ao amin’ny Internet na mivantana mihitsy aza. Jereo, ohatra, ny nanjo ny vehivavy iray, anisan’ny nanoratra ilay boky hoe Inona Marina no Ataon’ny Zanakao ao Amin’ny Internet? (anglisy). Te hahalala momba ny tchat izy, ka nandray anjara. Mody nilaza izy hoe 12 taona. Hoy ilay boky momba izay nitranga: ‘Teo no ho eo ihany dia nisy olona nanasa azy hoe: “Andao isika irery no hifanoratra.” Mody nilaza anefa ilay vehivavy hoe tsy mahay an’izany. Mody tsara fanahy koa ilay olona, ka nanoro ny fanaovana an’ilay izy. Hoy ilay olona avy eo: “Ary indrỳ sao dia mba mazoto hanao firaisana [ato amin’ny Internet]?” ’
HAFATRA TONGA EO NO HO EO
Inona izany? Fifampiresahana an-tsoratra ifanaovan’ny olona roa na mihoatra. Messagerie instantanée no ahalalana azy io.
Inona no itiavan’ny ankizy azy? Efa manana lisitra misy an’ireo namany izy, ka afaka mifidy izay tiany hanoratana. Tsy mahagaga raha 84 isan-jato be izao amin’ny ankizy kanadianina 16 sy 17 taona, no mifanoratra amin’ny namany, ary adiny iray mahery isan’andro izy no manao izany.
Inona no maharatsy azy? Mety ho variana amin’ilay izy ny zanakao, ka tsy hifantoka rehefa mianatra lesona na manao zava-dehibe hafa. Tsy fantatrao koa hoe iza no iresahany. Tsy renao mantsy ny resany, satria an-tsoratra ilay izy.
BLOG
Inona izany? Diary ao amin’ny Internet.
Inona no itiavan’ny ankizy azy? Azony soratana ao ny heviny sy ny zavatra fanaony na tena tiany. Mazàna no afaka mamela hafatra kely ao izay mamaky an’ilay izy. Faly erỳ ny ankizy maro, rehefa mba misy manoratra ao amin’ny diariny.
Inona no maharatsy azy? Azon’ny rehetra vakina ilay izy. Misy ankizy milaza zavatra tsy tokony holazaina anefa, ka lasa fantatry ny olon-dratsy hoe aiza izy no mianatra na mipetraka, na iza no fianakaviany. Ny hafa indray manala baraka olona, na izy mihitsy no manala baraka ny tenany, arakaraka izay soratany. Izany no mahatonga ny mpampiasa sasany hamaky ny diarin’ny olona mitady asa ao aminy, vao manapa-kevitra hoe handray azy na tsia.
PEJY HO AN’NY MPINAMANA NA OLONA MITOVY ZAVATRA TIANA
Inona izany? Ahafahan’ny tanora mamorona pejy ho azy manokana izy io. Azony asiana sary sy video ary blog ilay pejiny.
Inona no itiavan’ny ankizy azy? Azony lazaina na aseho ao amin’ilay pejiny ny mombamomba azy sy ny heviny. Afaka mahazo namana be dia be koa izy.
Inona no maharatsy azy? Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Joanna: ‘Misy karazan’olona maro ao, ka mampahatahotra be ny sasany.’ Mety hohararaotin’ny tanora na ny olon-dehibe ratsy saina koa izay lazainao momba anao. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Parry Aftab: ‘Mora mahita izay tadiaviny ny mpametaveta ankizy rehefa ao.’
Ankoatra izany, dia tsy tena naman’ny ankizy sasany ireo lazainy fa namany. Hita eo amin’ilay pejy noforoniny, ohatra, ny isan’ny namany. Te ho hita hoe be mpitia fotsiny ny ankizy sasany, ka mitady olona be dia be hampidirina eo, na dia mbola tsy nihaona taminy mihitsy aza izy ireny. Nilaza ny tena antony anaovan’ny ankizy izany i Candice Kelsey, ao amin’ilay bokiny hoe Generation MySpace. Hoy izy: ‘Tsy heverin’ny ankizy hoe namana tsara ianao raha vao tsy betsaka ny olona tia anao. Ratsy izany toe-tsaina izany, satria lasa tsy miraharaha an’izay tsy be namana ny ankizy, ary lasa miady mafy mihitsy mba ho tian’olona.’ Mampisaintsaina ny ray aman-dreny toy izao àry ilay boky hoe Inona Marina no Ataon’ny Zanakao ao Amin’ny Internet?: “Ahoana moa no hahafahanao hampianatra ny zanakao hoe tokony hangoraka sy ho tsara fanahy izy, nefa ny Internet mampianatra azy hoe azony ailikilika araka izay tiany ny olon-kafa?”
Sasantsasany fotsiny amin’ny zavatra tian’ny ankizy ireo. Inona àry no azonao atao mba hiarovana ny zanakao amin’ny voka-dratsy haterak’ireo?
[Fanamaraihana ambany pejy]
a Aretina izy io. Zara raha misakafo ilay olona satria te hahia kely foana. Milaza ireo mamoaka lahatsoratra momba azy io, fa mbola tsy niteny mihitsy ry zareo hoe tsy ratsy ilay izy. Lazainy anefa hoe tsy marary ilay olona, fa tsy te hisakafo fotsiny. Atorony mihitsy aza hoe inona no tokony hataon’ny tanora mba hanafenana ny tena lanjany, sy tsy hahitan’ny ray aman-dreniny hoe zara raha misakafo izy.
[Teny notsongaina, pejy 4]
Tao anatin’ny herintaona monja, dia niakatra 54 isan-jato be izao ny isan’ny mpijery Internet tany Inde. Tanora ny ankamaroan’izy ireo
[Teny notsongaina, pejy 7]
‘Afaka mampiseho ny tenanao amin’ny alalan’ny kamerà ianao ao amin’ny Internet. Misy ray aman-dreny mihevitra fa fomba tsotra ahafahan’ny ankizy mifandray amin’ny namany na havany izy io, sady tsy mandany vola be. Io anefa no fomba mora indrindra ahalalan’ny mpametaveta ankizy ny mombamomba ny zanakao.’—Robert Mueller, lehiben’ny Birao Federaly Momba ny Famotorana (FBI)