FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g04 8/10 p. 3
  • Mbola Kely dia efa Reny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Kely dia efa Reny
  • Mifohaza!—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Ankizivavy Bevohoka—Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2004
  • Inona no Azonao Atao mba Hitaizana Tsara ny Zanakao?
    Mifohaza!—2004
  • Fanampiana sy Fiarovana ny Tanora
    Mifohaza!—2004
  • Zava-tsarotra Atrehin’ny Reny
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—2004
g04 8/10 p. 3

Mbola Kely dia efa Reny

“Tsara tarehy ilay ankizilahy niarahako. Nanam-bola be koa izy, ka afaka nandehandeha tany amin’ny toerana maro izahay ary nanao izay nahafinaritra anay. Rehefa tsy tonga fotoana anefa aho, dia fantatro fa bevohoka. Izao no tonga tao an-tsaiko: ‘Ahoana no hilazako izany amin’i Neny? Dia bevohoka tokoa ve aho?’ Vao 16 taona aho tamin’izany, ka tsy hitako izay natao.”—Nicole.

EFA 35 taona eo ho eo izao i Nicole.a Lasa renim-pianakaviana matoky tena sy mazoto miasa izy. Telo ny zanany, ka 20 taona ny zokiny indrindra. Anisan’ireo ankizivavy an-tapitrisany bevohoka tsy nanambady izy, taona maromaro lasa izay. Toy ny ankizivavy rehetra ao anatin’io toe-javatra io, dia kivy tanteraka izy, satria tsy nahita vahaolana tamin’ireo olana maro nianjady taminy sy mbola niandry azy. Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra sarotra koa izy, nefa tsy hainy ny fomba hanaovana izany.

Tsy dia tian’i Nicole loatra ny miresaka ny zavatra niainany tamin’izany. Mbola zatovo mantsy izy no bevohoka, nefa tsy mieritreritra afa-tsy akanjo sy fianarana ny ankizy amin’io fotoana io. Hafa mihitsy ny zavatra niainan’i Nicole. Taitra mafy izy noho izay nanjo azy, tsy nety nino, natahotra, tezitra, ary kivy. Tsy potika tanteraka anefa ny fiainany. Be fitiavana ny fianakaviany, ary niezaka foana nampianatra azy toro lalana tsara momba ny fitondran-tena. Marina fa nifidy ny tsy hiraharaha ireny toro lalana ireny izy, ka nizaka ny vokany. Ireny toro lalana ireny ihany anefa tatỳ aoriana no nanampy azy hanana fiainana mahafa-po sy misy zava-kendrena. Izao no nataony teny filamatra: “Mbola ho avy ny maraina.”

Mampalahelo fa tsy be fanantenana toa an’i Nicole daholo ny ankizivavy rehetra niteraka tsy nanambady. Tsy be fitiavana toy ny fianakaviany koa ny fianakavian’izy ireo. Maro ny ankizivavy toy izany no tsy manana antom-pivelomana, nefa toa tsy mahita vahaolana mihitsy. Mijaly anaty kosa ny sasany, satria novetavetaina sy niharan’ny herisetra.

Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny zanany izany. Milaza ny boky Ankizivavy Bevohoka—Ny Fijaliany sy ny Fanantenany (anglisy), fa raha oharina amin’ny zaza ateraky ny vehivavy lehibe kokoa, dia matetika ireny zaza ireny no “tsy ampy lanja rehefa teraka, farofy, maty mbola kely, tsy voatsabo tsara, tsy ampy sakafo, mahita herisetra imbetsaka kokoa na iharan’izany mihitsy, ary tsy dia mitombo.” Raha vavy aza ny zanak’ireny zatovo ireny, dia mety ho bevohoka tsy manambady toa azy koa any aoriana any.

Betsaka ve ny ankizivavy bevohoka? Inona no azony atao mba hitaizana tsara ny zanany? Misy fomba azo anampiana ny tanora ve, mba tsy hahalatsaka azy ao anatin’io toe-javatra mampalahelo io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara