FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/7 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/7 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Ny Fandrenesana — Fanomezana Tiako ny haneho ny fankasitrahako noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina”. (8 Oktobra 1997). Talohan’ny namakiako io lahatsoratra io, dia nihevitra aho fa fantatro tsara mihitsy izay mitranga ao amin’ny aty sofina ao sy ny fomba andrenesantsika. Tsy takatro anefa fa hay, tsy ampy fahalalana mihitsy aho. Mahavariana erỳ ilay sary eo amin’ny pejy faha-21! Talanjona aho noho ny fikarohan-kevitra sy ny ezaka be dia be nentinareo nanao ilay sarin-tsofina. Vao mainka mahatalanjona ahy ny fahendren’ilay namorona ny sofina!

A. S., Etazonia

Samy manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana izaho sy ilay namako, ary inoanay amim-pahatsorana fa tao anatin’ny taona maro nianaranay, dia mbola tsy namaky mihitsy lahatsoratra toa an’io, izay milazalaza amin’ny fomba tsotra sy marina tokoa momba ny sofina, izahay. Mahatonga anay hiombon-kevitra amin’ireto teny ao amin’ny Salamo 139:14 ireto, io lahatsoratra io: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy”.

M. B. sy Z. B., Venezoela

Nodonin’ny fiaran’ny mpamily mamo iray aho. Iray volana aho tsy nahatsiaro tena mihitsy, ary taorian’izay, dia tsy afaka nandre na inona na inona. Valo ambin’ny folo taona atỳ aoriana, dia mbola lalodalovana ihany aho. Noho ny fanampian’ny fitaovam-pandrenesana anefa, dia afaka mandre ihany aho. Tena manampy tokoa an’ireo izay afaka mandre mba hahay hiombom-pihetseham-po amin’ireo lalodalovana, io lahatsoratra tonga ara-potoana io.

K. C., Etazonia

Tsy Naman’izao Tontolo Izao Tiako tsotra izao ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: ‘Tsy Naman’izao Tontolo Izao’ — Inona no Dikan’izany?” (8 Septambra 1997). Taorian’ny nandinihako azy io no nanapahako hevitra fa tsy hampiasaiko intsony ilay fitenenana hoe “olon’izao tontolo izao”, mba hilazalazana ny olona tsy Kristianina. Rehefa heverina tokoa mantsy, 30 taona lasa izay, dia mbola tsy Kristianina koa ny tenako. Raha naneho fihetsika nanambony tena ilay olona nampahafantatra ahy voalohany ny Baiboly, dia nety ho tsy naniry hiresaka tamin’ny Vavolombelona intsony aho!

B. G., Etazonia

Paradisa Tsy Hisy Korontana Sivy taona aho, ary tiako ny hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Paradisa Tsy Hisy Korontana — Tena Hisy Tsy ho Ela”. (8 Oktobra 1997). Tena nampihetsi-po ahy ilay lahatsoratra, satria tsy teto an-tanàna i Dada. Koa rehefa alina ny andro, dia natahotra izahay sy i Neny, na dia ny hanokatra varavarankely aza, sao hisy olona hitsofoka ao an-tranonay. Koa rehefa namaky momba ny fampanantenan’i Jehovah hanaisotra ny heloka bevava sy ny herisetra rehetra aho, dia nahatsapa ho nahazo fampiononana.

D. M., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara