FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/4 p. 16-17
  • Ilay Feso Tsy Lavitra Anay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Feso Tsy Lavitra Anay
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony tsy ahitana azy io matetika
  • Feso ve izy io?
  • Ny zavatra kely mba fantatsika momba azy io
  • Manao ahoana ny hoavin’izy io?
  • Feso any Nouvelle-Zélande
    Mifohaza!—2002
  • Ny Fahaizan’ny Feso Mampiasa Onjam-peo
    Nisy Namorona Ve?
  • Helodrano Shark Valan-javaboary Hafakely
    Mifohaza!—2007
  • Fifanenana Sarotra Inoana
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/4 p. 16-17

Ilay Feso Tsy Lavitra Anay

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

TIA rano tropikaly mafampana sy marivo izy, na rano masira izany na rano mamy, na manjavozavo na mangalahala. Manomboka any amin’ny Helodranon’i Bengale any Inde, mamakivaky ny Vondronosy Maleziana, ka tonga hatrany avaratr’i Aostralia, no faritra ahitana azy.

Kanefa, olom-bitsy — indrindra fa amin’ny Aostraliana — no efa mba nahita na nandre firesahana momba ny feso (dauphin) Irrawaddy. Ao amin’ny moron-tsiraka avaratr’i Aostralia anefa no mety hisy maro indrindra amin’io biby io eran-tany. Mahagaga ve izany? Sady eny no tsia.

Tamin’ny taonjato faha-19, i John Anderson, manam-pahaizana momba ny biby, dia nahita andiany maro tamin’io feso volondavenona manopy manga io, izay boribory loha sy dombo vava, tao amin’ny Ony Irrawaddy, any Myanmar (Birmania tamin’izany fotoana izany). Nomeny ny anarana hoe feso Irrawaddy izy io.

Ny antony tsy ahitana azy io matetika

Mitombo tsara ao amin’ny faritra mafana sy mando amoron-tsiraka sy eny amin’ny faritra misy vinany sy ony, ireo Irrawaddies. Ny fonenany matetika dia rano misy fotaka, alan-konko sy ala mikirindro eny amin’ny morony, feno moka, ary misy voay mihitsy aza, any amin’ny toerana sasany — tsy mahasarika olona ny toerana toy izany.

Manjavozavo koa, amin’ny ankapobeny, ny rano any amin’ireny faritra ireny. Noho izany, ny hany fotoana hahitanao feso dia rehefa mipoitra vetivety izy mba hifoka rivotra. Na dia amin’izay fotoana izay aza, dia tsy misehoseho hatrany izy. Faritra kely fotsiny amin’ny lamosiny no miseho, ary kely ny vombo eo andamosiny, raha oharina amin’ny an’ny feso hafa.

Tsy dia mahalana loatra anefa no ahitana ny feso Irrawaddy, any amin’ny toerana sasany. Matetika ireo mpanjono sy mpamily sambo any amin’ny Ony Irrawaddy, any Myanmar, sy any amin’ny ony hafa onenan’ny feso, any Azia, no mahita io biby io mihaza sy miantsambotsambotra erỳ ambony erỳ, sy mampifantsitsitra rano avy amin’ny vavany mihitsy aza, toy ny dobo misy rano mifantsitsitra na sary vongana kely ao amin’ny zaridaina ao anaty rano.

Ao amin’ny ranomasin’i Aostralia, dia any amin’ny moron-tsiraka andrefana, manodidina ny tendrony ambonin’ilay kontinanta, ary midina manaraka ny moron-tsiraka atsinanana, no ahitana ny feso Irrawaddy. Mazàna izy ireo no manao andiany misy feso latsaka ny 6, nefa misy hatramin’ny 15 indraindray. Tsy toa an’ireo iray tarika aminy aziatika, fa tsy mba mampifantsitsitra rano avy amin’ny vavany tahaka ny dobo misy rano mifantsitsitra mihitsy, ireo feso aostraliana, araka ny fantatra.

Feso ve izy io?

Monina eny akaikin’ny tany maina ireo feso Irrawaddies ary miadana ny fisosany ao anaty rano, raha oharina amin’ny an’ireo rahalahiny, izay mavitrika kokoa, monina any amin’ny rano tsy misy fotaka. Kanefa, sarotra tamin’ireo mpahay siansa ny nandinika azy ireny. Anton-javatra fototra mahatonga izany ny toerana tsy manintona onenan’izy ireo. Kanefa, nisy Irrawaddies velona nodinihina tao amin’ny Oseanariôma Jaya Ancol, tatsy Jakarta, Indonezia.

Koa satria tsy misy zavatra firy fantatra momba ny Irrawaddies, hatramin’ny vao haingana, dia tsy azon’ireo biôlôjista antoka izay toerana marina tokony hisy io biby io ao amin’ny tetiaran’ny trozona sy ny feso. Hita miharihary aloha fa misy zavatra maro iombonany amin’ny feso. Kanefa, saika mitovy tanteraka amin’ny trozona fotsy, any amin’ny Arktika, izy ireo amin’ny bikany, fa tsy amin’ny lokony (volondavenona manopy manga tanora ka hatramin’ny manga antitra), saingy izy kely kokoa fotsiny. Na dia ilay vozony mora milefitra amin’ny fomba tsy fahita aza, dia mitovy be amin’ny an’ny trozona fotsy. Koa inona àry izy ireo — ny mifanitsy amin’ny trozona fotsy any amin’ny ekoatera, sa tena feso?

Fomba iray ahafantarana izany ny fametrahana zavatra maro karazana mampiavaka azy araka ny rafi-batana sy ara-pototarazo eo ambony lela-mizana, raha azo atao ny milaza izany, mba hahitana hoe mitongilana mankaiza ny mizana. Hita fa mavesatra kokoa ny porofo fa feso izy io.

Ny zavatra kely mba fantatsika momba azy io

Mirefy iray metatra latsaka kely eo ho eo ny zanaka Irrawaddy vao teraka, ary milanja tokony ho 12 kilaograma. Mitombo ka mahatratra tokony ho telo metatra latsaka fahefany ny lahy, ary ny vavy, latsaka kely monja. Mety ho velona 28 taona izy ireo.

Ny santionan-javatra nalaina avy tao amin’ny vavonin’ny Irrawaddies maty dia mampiharihary fa karazana horita, patsabe, makamba, ary trondro — indrindra fa ny trondro mponina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina — no foto-tsakafony. Tombanan’ny mpahay siansa sasany fa mety hanampy ny feso aziatika hihaza trondro any amin’ny rano manjavozavo ilay zavatra mahavariana fanaony, dia ny fampifantsitsirana rano avy amin’ny vavany.

Mamoaka feo maranitra mazava tsara ny Irrawaddies, toy ny feso hafa rehetra. Nilaza tamin’ny Mifohaza! ny Dr. Peter Arnold, avy amin’ny Tranombakok’i Queensland Tropikaly, fa “araka ny fikarohana natao tao amin’ny Oseanariôma Jaya Ancol, dia tena mety hampiasa ny feony maranitra kely ny feso Irrawaddy mba hamantarana, amin’ny alalan’ny ako, ny toerana misy haza, toy ny ataon’ny feso hafa rehetra”.

Manao ahoana ny hoavin’izy io?

Tsy fantatry ny mpahay siansa mihitsy hoe firy ny isan’ny Irrawaddies eran-tany. Kanefa, mitombo ny fanahiana momba ny loza mandrahona azy ireo, dia ny hoe ho lany tamingana izy ireo. Mihena ny isan’izy ireo any amin’ny faritra sasany any Azia Atsimo-Atsinanana, ary tsy ahitana azy ireo intsony any amin’ny faritra hafa.

Izany matetika dia vokatry ny fitrandrahana ala sy ny fandotoana miaraka aminy ary ny famelana ny antsanga hivangongo eny amin’ny ony. Atỳ Aostralia, dia faritra lehibe misy ny Irrawaddy no mitoetra ho tsy misy mponina firy. Nitondra fanimbana anefa ny fanorenana tanàn-dehibe sy ny fizahan-tany, any amin’ny faritra mahasarika olona kokoa, any amin’ny moron-tsiraka atsinanana. Ny Irrawaddy sasany dia maty sempotra tao anaty haraton’ny mpanjono, ary ny sasany, tao anaty harato napetraka teny akaikin’ny torapasika mba hiarovana ny mpilomano amin’ny antsantsa. Misy fiantraikany eo amin’ny isan’ny Irrawaddies koa ny fanjonoana tafahoatra ny tahirin-tsakafony.

Ny fandrahonana lehibe indrindra anefa dia mety ho ny loto mihamitombo izay mivarina any amin’ny ony sy ny vinany. Anisan’ny mampidi-doza indrindra ny fangaro organika sentetika, toy ny polychlorobiphényles (PCB), izay toa tsy mety miala ao amin’ny tontolo iainana. Nampiasaina tao amin’ny taharo elektronika, ny loko, ny menaka fanao amin’ny milina, ny lalotra fampiasa amin’ny hazo sy ny metaly ary ny zavatra novokarina hafa, ny PCB.

Raha jerena ny lafy tsarany, dia hoy ny Australian Nature Conservation Agency (Fikambanana aostraliana miaro ny natiora), tao amin’ny tahirin-keviny nomeny ny lohateny hoe The Action Plan for Australian Cetaceans: “Eo ambany fitantanan’ny Saha An-dranomasin’i Grande Barrière ny ankamaroan’ny faritra onenan’[ny feso Irrawaddy] any Queensland; noho izany, dia misy fahafahana hitantana tsara [ny feso] ao amin’ny ranomasin’i Queensland.”

Dingana hafa iray ho amin’ny fitantanana tsara kokoa ny fampirisihan’ilay fikambanana ny hanaovana ny Irrawaddy, miaraka amin’ny trozona misy trafo, ny trozona maro vangy avy any atsimo, ary ny feso lava vava, ho anisan’ny karazam-biby voalohany indrindra ao amin’ny fandaharam-panentanana ny vahoaka. Handray soa avy amin’izany ny feso Irrawaddy — sy isika koa.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Sary: Courtesy Dr. Tony Preen

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara