FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/11 p. 12-17
  • Ilay Lehilahy Izay Nanokatra An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Lehilahy Izay Nanokatra An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ankizilahy tandapa, avy eo nanjary matiloa tsy nanan-tahotra
  • Hihaino ve ny mpanjakan’i Espaina?
  • “Ilay zava-bita nahatalanjona lehibe indrindra teo amin’ny dia an-dranomasina, nandritra ny tantara”
  • Ilay fahoriana mafy tany Pasifika
  • Loza lehibe — Nirodana ny nofy
  • Nisy loza namely nandritra ny fodiana
  • Mbola velona ny anaran’i Magellan
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Ilay dia An-dranomasina Niavaka Nataon’i Vasco de Gama
    Mifohaza!—1999
  • Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—2015
  • Ilay Dia Nahitan-doza
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/11 p. 12-17

Ilay Lehilahy Izay Nanokatra An’izao Tontolo Izao

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

REHEFA nankeny amin’ny volana vao voalohany ny olombelona, dia namaritra mialoha, tamin’ny alalan’ny kajy marina, ny toerana halehany sy ny fomba hahatongavany eny. Ary afaka nifandray tamin’ny olona tetỳ an-tany izy ireo. Kanefa, rehefa nandao an’i Espaina, tamin’ny 1519, ireo sambo hazo madinika dimy nentin’i Fernand de Magellan,a dia nanainga ho any amin’ny tsy fantatra izy ireo. Ary irery tanteraka izy ireo. Ny ankamaroan’ireo sambo nentin’izy ireo dia nirefy tokony ho 21 metatra ny lavany, nitovy halava tamin’ny semi-remorque maoderina.

Tamin’ireo zava-bita nahatalanjona teo amin’ny dia an-dranomasina nanehoana fahasahiana sy herim-po indrindra hatramin’izay, dia ireo nataon’i Magellan no tsangambaton’ny Vanim-potoana Lehiben’ny Fizahan-tany Mbola Tsy Fantatra — vanim-potoan’ny herim-po sy ny tahotra, ny fifaliam-be sy ny loza, Andriamanitra sy i Mamôna. Andeha àry isika hiverina any amin’ny taona 1480 tany ho any, fony teraka tany avaratr’i Portogaly i Fernand de Magellan, ka handinika an’ilay lehilahy niavaka izay nanokatra an’izao tontolo izao, sy ireo dia goavana nataony.

Ankizilahy tandapa, avy eo nanjary matiloa tsy nanan-tahotra

Andriana ny fianakaviana Magellan, koa araka ny fomba amam-panao, fony mbola zazalahy i Fernand, dia nantsoina mba hanampy tao an-dapan’ny mpanjaka. Tao, fanampin’ny nahazoany fanabeazana, izy dia nandre nivantana momba ireo asa niavaka nataon’ny lehilahy toa an’i Christophe Colomb, izay vao avy niverina avy tany amin’ireo tanin’i Amerika, rehefa avy nitady lalana an-dranomasina tany andrefana, ho any amin’ireo nosy nalaza, dia ny Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo (Indonezia). Tsy ela i Fernand tanora dia nanonofinofy ny amin’ny andro izay hahafahany koa handre ny fikapokapoky ny lain-tsambo eo ambonin’ny lohany sy hahatsapa eo amin’ny tarehiny ny pitipiti-dranon’ireo ranomasimbe mbola tsy voazaha.

Nampalahelo fa nisy namono tamin’ny 1495 ny Mpanjaka Jean, mpiahy azy, ary ny Andriana Manuel, izay liana fatratra tamin’ny harena, fa tsy tamin’ny fizahan-tany, no nandray ny fiandrianana. Nisy antony tsy nitiavan’i Manuel an’i Fernand izay 15 taona, ary nandritra ireo taona, dia nodiany tsy fantatra ny fangatahan’izy io handeha ho any afovoan-dranomasina. Kanefa, rehefa niverina avy tany India i Vasco de Gama, nivesatra zava-manitra mampahatsiro sakafo, dia takatr’i Manuel fa nitondra harem-be izany. Tamin’ny farany, tamin’ny 1505, dia navelany handeha ho any afovoan-dranomasina i Magellan. Niainga ho any Afrika Atsinanana sy India i Magellan, tao amin’ny andian-tsambo mpiady portogey, mba hanampy tamin’ny fakana an-keriny ny varotra zava-manitra mampahatsiro sakafo avy tamin’ireo mpivarotra arabo. Taorian’izany, dia nandeha an-tsambo tany atsinanana kokoa izy, nankany Malacca, niaraka tamin’ny andia-miaramila hafa.

Naratra mafy teo amin’ny lohaliny i Magellan nandritra ny adiady iray tany Maroc, tamin’ny 1513. Ho vokany, dia nandringa mandra-pahafatiny izy. Nangataka tamin’i Manuel mba hampisondrotra ny vola fanampiana azy izy. Kanefa, tsy nampihena ny fankahalan’i Manuel, na dia kely akory aza, ny asa niavaka sy ny sorona ary ny herin-tsaina nasehon’i Magellan vao haingana. Noroahiny izy rehefa avy nomeny vola kely, zara raha ampy nivelomany toy ny andriana nahantra.

Raha tao amin’izany fahoriana faraidiny teo amin’ny fiainany izany i Magellan, dia nahazo fitsidihana avy tamin’ny namana iray efa hatramin’ny ela, dia ilay mpitondra sambo nalaza atao hoe João de Lisboa. Izy roa lahy dia nandinika ny fomba hahatongavana any amin’ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo, tamin’ny fandehanana nianatsimo-andrefana, ka hamakivaky ny el paso — andilan-dranomasina hahafahana hamakivaky an’i Amerika Atsimo, araka ny honohono — ary avy eo dia hiampita ilay ranomasimbe vao hitan’i Balboa fony izy namakivaky ny andilan-tanin’i Panama. Nino izy ireo fa any ampitan’io ranomasimbe io no nisy ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo.

Dodona mafy izao i Magellan hanao izay tsy vitan’i Colomb — ny hahita izany lalana tany andrefana mankany Orient izany, izay ninoany fa fohy kokoa noho ny lalana tany atsinanana. Nila fanohanana ara-bola anefa izy. Koa satria mbola nalahelo mafy noho ny hamafin’ny fahatezeran’i Manuel izy, dia nanao toy ny nataon’i Colomb mihitsy, taona vitsivitsy teo aloha — nitady ny fanohanan’ny mpanjakan’i Espaina izy.

Hihaino ve ny mpanjakan’i Espaina?

Teo amin’ny sarintany nivelatra, i Magellan dia nanolotra ny fanaporofoan-keviny tamin’i Charles I, mpanjaka tanoran’i Espaina, izay liana indrindra tamin’ny lalana tany andrefana halehan’i Magellan ho any amin’ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo, satria izany dia hisakana ny fidirana tsy ara-dalàna tao amin’ny lalan-tsambo portogey. Fanampin’izany, dia niteny taminy i Magellan fa tena nety ho tao anatin’ny faritany espaniola, fa tsy portogey, ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo! — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Dinan’i Tordesillas”.

Resy lahatra i Charles. Nomeny sambo tranainy dimy i Magellan mba hamboarina ho amin’ilay dia, nataony kapiteny jeneralin’ilay andian-tsambo izy, ary nampanantenainy anjara amin’ny tombony avy amin’ny zava-manitra hoentiny mody. Nanomboka niasa avy hatrany i Magellan. Koa satria anefa nanandrana nampandamòka tamin-kafetsena an’ilay tetik’asa ny Mpanjaka Manuel, dia nila herintaona mahery vao vonona ho amin’ilay dia goavana ilay andian-tsambo tamin’ny farany.

“Ilay zava-bita nahatalanjona lehibe indrindra teo amin’ny dia an-dranomasina, nandritra ny tantara”

Tamin’ny 20 Septambra 1519, dia nanaraka an’i Trinidad, ilay sambo lehibe indrindra faharoa, nisy an’i Magellan, ny sambo San Antonio, Concepción sy Victoria ary Santiago — nilahatra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra — rehefa nandeha ho any Amerika Atsimo izy ireo. Tonga tany Brezila izy ireo tamin’ny 13 Desambra, ary teo ambany fibanjinana manerinerin’i Pão de Açúcar, na Tendrombohitra Sugarloaf, dia niditra tao amin’ny helodrano tsara tarehin’i Rio de Janeiro mba hanamboatra ny simba sy hanangona vatsin-tsakafo. Avy teo izy ireo dia nanohy nianatsimo ho any amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Arzantina ary nitady foana ny el paso, ilay lalana tsy mora hita mitondra ho any amin’ny ranomasimbe iray hafa. Nandritra izany, dia nihanangatsiaka ny andro ary niseho ireo vongan-dranomandry lehibe. Tamin’ny farany, tamin’ny 31 Martsa 1520, dia nanapa-kevitra ny handany ny ririnina tao amin’ny seranana mangatsiaka tao San Julián, i Magellan.

Izao dia efa naharitra fotoana lava kokoa, inenina heny noho ny lanin’i Colomb namakivakiana voalohany an’i Atlantika, ny faharetan’ilay dia — ary mbola tsy hita ihany ilay andilan-dranomasina! Nangatsiaka izaitsizy ny zotom-pon’ireo tantsambo, tsy nisy hafa tamin’ny toetr’andro tao San Julián, ary naniry mafy ny hiverina hody izy ireo, anisan’izany ny sasany tamin’ireo kapiteny sy manamboninahitra. Tsy nahagaga raha nipoaka ny fikomiana. Kanefa, noho ny nanaovan’i Magellan zavatra tamin’ny fomba haingana sy tamim-pahatapahan-kevitra, dia tsy nahomby izany ary novonoina ny roa tamin’ireo mpitarika ilay fikomiana.

Mazava ho azy fa nanaitra ny faniriana ta hahafanta-javatra nananan’ireo mponina teo an-toerana izay tomady — sy vaventy — ireo sambo vahiny teo an-tseranana. Nahatsapa ny tenany ho toy ny olona botry kely ireo mpitsidika teo anilan’ireo goavam-be ireo, ka niantso an’ilay tany hoe Patagonia — avy tamin’ny teny espaniola midika hoe “tongotra goavana” — izay anarany hatramin’izao. Izy ireo koa dia nahamarika ‘amboadian-dranomasina izay nitovy habe tamin’ny zanak’omby, ary gisa mainty sy fotsy izay nilomano tany anaty rano sy nihinana trondro ary nanam-bava nitovy tamin’ny an’ny goaika’. Eny, fantatrao angamba hoe inona izany — phoques (karazana lambondriaka) sy pingouins (voron-dranomasina tsy manidina)!

Mora misy tafiotra tampoka mahery vaika any amin’ireo faritra any an-tendron-tany, ary talohan’ny nifaranan’ny ririnina, ilay andian-tsambo dia namoy zavatra voalohany — ny sambo Santiago bitika. Soa ihany anefa fa voavotra tamin’izany faharendrehana izany ireo tantsambo rehetra. Taorian’izany, mandra-pahatongan’ny 21 Oktobra, dia nikiry niroso nianatsimo tao amin’ireo rano mbola mangatsiaka kokoa ireo sambo efatra sisa tavela, toy ny samoina kely novelivelezin’ny rivo-mahery namanala nitsoka tsy an-kijanona. Tao anatin’ny pitipiti-drano sy ny ranonorana nandry, dia nifantoka teo amin’ny lalana iray nivoaka ho any andrefana ny maso rehetra. Ilay el paso ve io? Eny! Ela ny ela ka nivily izy ireo ary niditra tao amin’ilay andilan-dranomasina izay fantatra tatỳ aoriana kokoa hoe ny Andilan-dranomasin’i Magellan! Kanefa, na dia io fotoam-pandresena io aza dia nomatrohina. Nitsoaka an-daharana an-tsitrapo tao amin’ny lalana maro nisafotofoton’ilay andilan-dranomasina ny San Antonio, ary niverina tany Espaina.

Niditra an-keriny tamim-pahatapahan-kevitra namakivaky ilay andilan-dranomasina misafelipelika ireo sambo telo sisa tavela. Teo amin’ny an-daniny roa, dia nisy ireo helodranomasina be rivotra sy ireo tendrombohitra rakotra oram-panala ny tendrony. Teny atsimo, dia nahamarika afo tsy tambo isaina izy ireo, angamba avy tamin’ireo tobin’ny Indiana, koa nantsoin’izy ireo hoe Tierra del Fuego, na “Tanin’ny Afo”, io tany io.

Ilay fahoriana mafy tany Pasifika

Taorian’ny iray volana sy herinandro nila tsy ho zaka, dia nandeha tao amin’ny ranomasimbe iray izy ireo; tony aoka izany io ranomasimbe io, hany ka nantsoin’i Magellan hoe i Pasifika. Nivavaka sy nanao hiram-pivavahana ary niarahaba ny fandreseny tamin’ireo tafondrony, ireo tantsambo. Tsy naharitra ela anefa ny hafaliam-pony. Nisy loza lehibe noho izay rehetra hitan’izy ireo hatramin’izao niandry azy, satria tsy ilay ranomasina kely nantenain’izy ireo izy io — nitohy izy io, dia nitohy, dia nitohy, ary nihanoana sy reraka ary narary ireo tantsambo.

Nihazona an-tsoratra ny fisehoan-javatra isan’andro i Antonio Pigafetta, Italiana iray be herim-po. Hoy ny nosoratany: “Ny alarobia, valo amby roapolo Novambra 1520, dia niditra tao amin’ny ranomasina Pasifika (...) izahay, ary nitoetra tao telo volana sy roapolo andro tsy nanangona vatsin-tsakafo mihitsy (...). Tsy nihinana afa-tsy biscuit nialin-taona natao vovony sy feno olitra ary maimbo taim-boalavo izahay (...) ary rano mavo sy maimbo no nosotroinay. Nihinana hoditr’omby koa izahay, (...) sy vovo-kazo ary voalavo novidina roa shillings sy sasany ny iray, ary ambonin’izany, tsy ampy akory izy ireny.” Noho izany, arakaraka ny namenoan’ny talio ny lain-tsambon’izy ireo sy ny nandalovan’ny sambony rano mangalahala, dia nandamaka noho ny scorbut (tsy fahampian’ny vitamina C) ireo tantsambo. Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo tao amin’ireo Nosy Mariana, tamin’ny 6 Martsa 1521, dia efa 19 no maty.

Tao anefa, noho ny fifandrafiana tamin’ireo mponina anosy, dia tsy nahavita naka afa-tsy sakafo vaovao kely fotsiny izy ireo talohan’ny niaingany indray. Tamin’ny farany, tamin’ny 16 Martsa, dia nahatazana an’i Philippines izy ireo. Ela ny ela ka nisakafo tsara sy niala sasatra ary nahazo fahasalamana sy hery indray ireo tantsambo rehetra.

Loza lehibe — Nirodana ny nofy

Tao i Magellan, lehilahy mpivavaka be, dia nanova mponina maro teo an-toerana sy ireo mpanapaka azy ireo ho amin’ny Fivavahana Katolika. Ny zotom-pony anefa dia nahatonga ny fahavoazany koa. Nanjary tafiditra tao amin’ny fifandirana iray teo amin’ny samy foko izy, ary niaraka tamin’ny lehilahy 60 monja, dia nanafika tera-tany 1 500 teo ho eo, satria nino fa hiantoka ny fandreseny ny tsipìka sy ny basy ary Andriamanitra. Tsy izany anefa fa izy sy maro tamin’ireo lehilahy niaraka taminy kosa no voavono. Tokony ho 41 taona i Magellan tamin’izay. Nitaraina toy izao i Pigafetta nahatoky: ‘Novonoin’izy ireo ny modelinay, ny fahazavanay, ny fiononanay ary ny mpitarika marina anay.’ Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy manamboninahitra 27 teo ho eo izay tsy nanao afa-tsy ny nitazana avy teny an-tsambony, izay tsy nisy natahorana, novonoin’ireo filoham-poko, izay namana teo aloha.

Rehefa maty i Magellan, dia lavo teo amin’ny faritra fantany tsara. Teo atsimo kely no nisy ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo, ary teo andrefana i Malacca, izay nandraisany anjara tamin’ny ady tamin’ny 1511. Raha toa, araka ny iheveran’ny mpahay tantara sasany azy, ka nandeha nankany Philippines izy taorian’ilay ady tao Malacca, dia tena nahodidina ny gilaoby tokoa izy — na dia tsy tamin’ny dia indray nanao aza, mazava ho azy. Nahatratra an’i Philippines izy, na avy tany atsinanana, na avy tany andrefana.

Nisy loza namely nandritra ny fodiana

Koa satria vitsy loatra ny tantsambo sisa tavela izao, dia tsy vita izany hoe hampiasa sambo telo izany, koa nalentik’izy ireo ny Concepción ary nandeha tamin’ireo sambo roa sisa tavela izy ireo ho any amin’ny tanjony farany, dia ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo. Avy teo, dia nisara-dia ireo sambo roa navesatry ny zava-manitra mampahatsiro sakafo. Kanefa, voasambotr’ireo Portogey ireo tantsambo rehetra tao amin’ny Trinidad izay efa niady mafy, ary nogadrainy.

Afa-nandositra kosa ny Victoria, izay teo ambany fitarihan’i Juan Sebastián de Elcano, ilay mpikomy teo aloha. Nanalavitra ny seranana rehetra izy ireo, afa-tsy seranana iray ihany, ary nisetra loza nanaraka ny lalan’ny Portogey nanodidina ny cap de Bonne Espérance. Tetik’ady namoizana be anefa ny tsy nijanonana mba hanangonana vatsin-tsakafo. Rehefa tonga tany Espaina izy ireo tamin’ny farany tamin’ny 6 Septambra 1522 — telo taona taorian’ny nialany tao — dia tantsambo narary sy kaozatra 18 monja no sisa velona. Na dia izany aza, dia izy ireo no tsy azo iadian-kevitra fa olona voalohany nahodidina ny tany. Ary lehilahy nahery fo i De Elcano. Sarotra inoana ny hoe nahaloa ny fandaniana rehetra tamin’ilay dia manontolo ny zava-manitra 26 taonina nentin’ny Victoria!

Mbola velona ny anaran’i Magellan

Tsy nomena ny toerany marina teo amin’ny tantara i Magellan nandritra ireo taona. Voataonan’ny tatitra nataon’ireo kapiteny nikomy ny Espaniola, ka nanimba ny lazan’ny anarany, ary nilaza fa olona henjana sy “tsy nahavita azy” izy. Nanakilasy azy ho mpamadika ny Portogey. Nampalahelo fa, rehefa maty izy, dia nanjavona ny firaketany an-tsoratra ny dian’ny sambony. Angamba ireo izay ho voala sarona tao anatin’izy io no nanapotika azy. Noho ny fanampian’i Pigafetta tsy nety resy — iray tamin’ireo olona 18 nahodidina ny tany — sy mpikambana hafa tokony ho 5 anisan’ny nanao ilay dia anefa, dia manana, fara fahakeliny, firaketana an-tsoratra sasantsasany momba io dia mampalahelo nefa mahatalanjona io, isika.

Rehefa nandeha ny fotoana, ny tantara dia nijery indray sy nanitsy ny fomba fiheviny, ary amin’izao andro izao, ny anaran’i Magellan dia nahazo ny voninahitra tokony ho azy. Mitondra ny anarany ny andilan-dranomasina iray, toy izany koa ireo Rahon’i Magellan — vahindanitra roa manjavozavo atỳ atsimo, izay ny tantsambon’i Magellan no nilazalaza azy voalohany — ary ny sonde spatiale Magellan (fitaovana fitsirihana ny any ambony tsy taka-maso). Ary, mazava ho azy fa i Magellan no nahazoantsika ny anaran’ilay oseana lehibe indrindra eto an-tany, dia i Pasifika.

Eny tokoa, “tsy nisy dia lehibe toy izany nataon’olombelona hatreo amin’ny fotoana nipetrahan’ny Apollo 11 teny amin’ny Volana, 447 taona tatỳ aoriana”, hoy ny nosoratan’i Richard Humble, tao amin’ilay boky hoe The Voyage of Magellan. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ilay dia? Voalohany aloha, izy io dia nanaporofo fa sady tsy anisan’i Azia, no tsy akaikiny, araka ny nieritreretan’i Colomb azy, ireo tanin’i Amerika. Faharoa, teo am-pifaranan’ilay dia, ny elanelana iray andro teo amin’ireo daty dia nanondro ny nilana hanaovana tsipika iraisam-pirenena mamaritra ny daty. Ary farany, araka ny nolazain’i Isaac Asimov, mpanoratra momba ny siansa, izy io dia nampiseho fa bola ny tany. Eny tokoa, raha ny momba izany, dia noporofoin’i Magellan tamin’ny fomba azo tsapain-tanana izay zavatra efa nolazain’ny Baiboly mihitsy, 2 250 taona talohan’izay. (Isaia 40:22, NW; ampitahao amin’ny Joba 26:7.) Tsy misy isalasalana fa ho faly noho izany ilay lehilahy mpivavaka be izay nanokatra an’izao tontolo izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a I Fernão de Magalhães no anarany amin’ny teny portogey.

[Efajoro, pejy 14]

Ny Dinan’i Tordesillas

Noho ny tontolo iray nidadasika nisokatra teo anoloan’izy ireo, dia nifanaraka tamin’ny alalan’ny dina iray i Portogaly sy i Espaina fa hifampizara ny zo hanao varotra sy hanjaka eo amin’ireo tany vao hita. Noho izany, teo ambany fitarihan’ny Papa Alexandre VI sy Jules II, dia nanao tsipika iray namakivaky an’ilay antsoina ankehitriny hoe Brezila, izy ireo. Ireo tany hita tany atsinanan’io tsipika io dia hanjary an’i Portogaly; ny ambiny, dia an’i Espaina. Tsy naneho fahendrena i Magellan ka nanolo-kevitra an’i Manuel, mpanjaka portogey, hoe rehefa halefa mamakivaky ireo tendron-tany ho any ambadiky ny gilaoby io tsipika io, dia tena mety hilatsaka ao anatin’ny faritanin’i Espaina ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo. Nahazoany fanakianana namaivay io fanamarihana tamim-pahatsorana io, izay niorina tamin’ilay fiheverana nanjaka hoe kely lavitra ny Oseana Pasifika. Mahatsikaiky fa i Magellan ihany no nanaporofo ny tenany ho diso. Na dia izany aza, ny zavatra ninoany dia nanome azy antony fanampiny hitadiavana ny fanohanan’ny mpanjakan’i Espaina.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Ny Fahoriana Mafin’ny Matiloa Taloha

Ny fiainan’ny matiloa ambany grady dia tsy fitsangantsanganana nahafinaritra teny ambony sambo, indrindra tamin’ireo dia lavitra kokoa fizahana tany mbola tsy fantatra — izay matetika no naharitra an-taonany maro. Indro misy santionany fotsiny amin’ny anjaram-piainan’ny matiloa:

• Toerana ipetrahana tena ety ary tsy fananana fiainana mitokana an’ny tena manokana

• Sazy feno halozana matetika, miankina amin’ny haitraitran’ilay kapiteny

• Aretina scorbut sy fahafatesana vokatry ny tsy fahampian’ny vitamina C

• Fahafatesana noho ny faharendrehan-tsambo, ny hanoanana, ny hetaheta, ny toetr’andro ratsy izaitsizy, ny tompon-tany

• Aretim-pivalanana na tefoedra avy amin’ny rano fisotro maimbo sy maloto

• Poizina avy amin’ny sakafo lo sy voaloto

• Tazo avy amin’ny kaikitr’ireo voalavo noana

• Typhus (karazana areti-mifindra) avy amin’ny hao mihahohaho eo amin’ny vatana sy ny fitafiana maloto

• Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tokony ho 50 isan-jato ny fanantenana fa hody velona

[Sary nahazoan-dalana]

Century Magazine

[Sarintany/Sary, pejy 16, 17]

(Jereo ny gazety)

Dia Nataon’i Magellan, 1519-1522

⇦••• Zotra ◻ Toerana nanombohana sy niafaran’ny dia

Andilan-dranomasin’i Magellan

Novonoina tany Philippines i Magellan

Tapany farany nandehanan’i Juan Sebastián de Elcano

[Sary nahazoan-dalana]

Magellan: Giraudon/Art Resource, NY; sarintan’izao tontolo izao: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.; astrolabe: Courtesy of Adler Planetarium

[Sary, pejy 16]

Fernand de Magellan

[Sary, pejy 16]

“Victoria”, ilay sambo voalohany nahodidina ny gilaoby. Tamin’ireo sambony dimy, dia itỳ no fahefatra raha ny habeny no jerena, ary nitondra tantsambo 45 izy io. Tokony ho 21 metatra ny lavany

[Sary, pejy 17]

Fitaovana fampiasa amin’ny dia an-dranomasina: ny famantarana ora no nandrefesana ny fotoana, ary ny “astrolabe” no namantarana ny laharam-pehintany nisy an’ilay sambo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara