Vahoaka Iray Ampianarina ho Tia
FIHETSEHAM-PO miorina amin’ny fankasitrahana, ny faniriana hanasoa, na ny tombontsoa iombonana, ny fitiavana. Fifikirana mafana ny fitiavana. Tsy tia tena sy tsy mivadika izy io, ary mampiseho fiahiana amim-paniriana hanasoa ny hafa. Mifanohitra tanteraka amin’ny fankahalana ny fitiavana. Mifantoka tanteraka amin’ny firehetam-pony manokana ny olona iray atosiky ny fankahalana; mihevitra ny hafa ny olona iray atosiky ny fitiavana.
Fitiavana sa fankahalana — iza no manapaka eo amin’ny fiainanao? Mihoatra noho ny hoe fanontaniana fotsiny io, satria miankina amin’ny valiny ny hoavinao mandrakizay. Na dia miaina eo amin’ny tontolo iray ampianarina hankahala aza ny olona an-tapitrisany maro, dia mianatra ny ho tia. Amin’ny fitafiana toetra vaovao no anaovan’izy ireo izany. Tsy miresaka fotsiny momba ny fitiavana izy ireo; miezaka mafy hampihatra azy io izy ireo.
Raha efa nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia mety ho voatohina noho izay hitanao. Tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, na inona na inona firenena niaviany. Mahaforona firahalahiana marina iraisam-pirenena izy ireo. Azo atao ny manamarika izany ao amin’ireo kongregasionany ao amin’ny faritra misy azy sy any amin’ireo fivoriambeny, nefa angamba tsy misy toerana tsara kokoa anamarihana izany noho ny ao amin’izay antsoin’izy ireo hoe fianakavian’ny Betela. Izany dia antokona mpiasa an-tsitrapo izay miara-miaina sy miara-miasa, toy ny fianakaviana iray, ary mamokatra sy mampiely zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Ao amin’ny tany tsirairay, ny sasany amin’izy ireny dia miandraikitra ny asa ataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao. Tsy asa kely izany, satria mahafaoka — toy ny amin’itỳ taona 1997 itỳ — kongregasiona 82 000 mahery, any amin’ny tany 233. Mba hanomezana fahafaham-po izany zavatra ilaina izany, dia olona 16 000 mahery no manompo ao amin’ireo fianakavian’ny Betela maneran-tany, anisan’izany ny foibe maneran-tany sy ireo tranon’ny sampana kely kokoa samihafa, any amin’ny tany 103.
Olom-pirenen’ilay tany misy ny biraon’ny sampana no maro an’isa indrindra amin’izay mahaforona ny ankamaroan’ny fianakavian’ny Betela. Tsy voatery ho izany anefa. Ny fianakavian’ny Betela sasany dia voaforon’ny Vavolombelona avy amin’ny firenena, antokom-pirazanana, na foko maro samihafa, ary koa avy amin’ny fivavahana samy hafa teo aloha. Ohatra, ao amin’ny fianakavian’ny Betela misy olona efa ho 1 200 mipetraka ao Selters, Alemaina, dia misy solontena avy amin’ny firenena 30 eo ho eo. Inona no mahatonga azy ireo ho afaka hiara-miaina sy hiara-miasa ary hiara-manao fanompoam-pivavahana ao anatin’ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina, ao anatin’ny rivo-piainana tsy misy fankahalana? Izy ireo dia manaraka ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Kolosiana 3:14 (NW ) hoe:
“Mitafia fitiavana”
Tsy misy olona teraka mitafy tanteraka, na olona manjary mitafy noho ny firesahana momba izany fotsiny. Tsy maintsy tafiditra amin’ny fampitafiana ny tena ny fanaovana fanapahan-kevitra hentitra, ary avy eo, ny fanaovana ezaka eo amin’ny fanatanterahana izany hatramin’ny farany. Toy izany koa fa tsy misy olona teraka mitafy fitiavana. Tsy ampy ny firesahana fotsiny momba azy io. Takina ny hanaovana ezaka.
Zava-kendrena maromaro no ampiasana ny fitafiana. Miaro ny vatana izy io, manakona faritra tsy maha-te hijery na kilema eo amin’ny vatana, ary mampiharihary amin’ny ampahany kely izay toetran’ny olona iray. Mitovy amin’izany ny fitiavana. Ampiasaina ho fiarovana izy io, satria manosika olona iray hanalavitra ny fifaneraserana na ny toerana mety hampidi-doza ny fitiavana ny fotopoto-pitsipika marina sy ny fitiavana ny fifaneraserana mety. Ampiasaina izy io mba hiarovana ny fifandraisana amin’ny hafa, fifandraisana izay tokony ho sarobidy amintsika. Ny olona iray tia, dia azo inoana kokoa fa ho tiana, ho valiny, ary ny olona iray mitan-tena tsy handratra ny hafa, dia azo inoana kokoa fa tsy ho voaratra.
Ny fitiavana dia manakona koa ny tapany amin’ny toetrantsika izay manafintohina kokoa, sy mety hanelingelina olon-kafa. Moa ve isika tsy mirona kokoa hanala tsiny fahadisoana madinika ao amin’ny olona be fitiavana, noho ny ao amin’ny olona miavonavona, mizahozaho, tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ary tsy manam-pitiavana?
Mampiharihary ireo hatsaran’ny toetra toy ny an’i Kristy ny olona mitafy fitiavana. Ivelany fotsiny ny hatsaran-tarehy ara-batana, kanefa kosa ny hatsarana ara-panahy dia manenika ilay olona manontolo. Angamba ianao mahafantatra olona hitanao ho tsara tarehy, tsy noho ny fisehoany ivelany ara-batana akory, fa noho ny toetrany feno hafanana tena izy. Etsy an-danin’izany, ny ankamaroantsika dia efa nifanena tamim-behivavy na lehilahy tsara tarehy, izay nanjary tsy nanana intsony izay rehetra mety ho soritry ny toetoetra mambabo eo imasontsika raha vao nipoitra ny tena toetrany. Mahafinaritra toy inona moa ny eo anivon’ny olona efa nitafy fitiavana!
Fanoloana ny fankahalana amin’ny fitiavana
Hazavain’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah 145 958, tany Alemaina, tamin’ny 1994, fa azo soloana fitiavana ny fankahalana.
Fisotroana tafahoatra, fidorohana zava-mahadomelina, heloka bevava, filokana ary fitondran-tena manohitra ny fiaraha-monina na feno herisetra, izany rehetra izany, amin’ny fomba iray na hafa, dia endrika isehoan’ny fitiavan-tena, izay afaka mandrisika mora foana fankahalana. Ny 38,7 isan-jaton’ireo nadinadinina anefa dia nilaza fa mba hifanarahana amin’ny fari-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly tohanan’ny Vavolombelona, dia nandresy iray na mihoatra tamin’iretsy olana iretsy, izy ireo. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fari-pitsipiny ara-pitondran-tena marina no nanosika azy ireo hanao izany. Nanolotra fanampiana tamim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah, matetika dia fanampiana nivantana ny isam-batan’olona. Nandritra ireo dimy taona farany (1992-1996), dia olona 1 616 894 tany amin’ny tany 233 no nampiana mba hanao fiovana, ka nandresy ny fankahalana tamin’ny fitiavana tsy mety resy.
Amin’ny fanehoana fitiavana tsy misy fitiavan-tena ao amin’ny fanambadian’izy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manjary manana fifandraisana miorina tsara. Any amin’ny tany sasany, dia fanambadiana iray amin’ny roa na telo no miafara amin’ny fisarahana. Ilay fanadihadiana voalaza tetsy ambony anefa dia nanondro fa 4,9 isan-jato monja amin’ireo Vavolombelona no nisara-panambadiana na misara-toerana amin’ny vadiny, amin’izao fotoana izao. Tsy tokony hohadinoina anefa fa talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah no nisara-panambadiana ny ankamaroan’ireo.
Koa satria Mpampianatra Lehibe izay mampianatra ny lalany amin’ireo izay tia azy ilay Andriamanitry ny fitiavana, dia izy no iantefan’ny fitiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany indrindra. Tsy toy ny olon-kafa, izay mety ho “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”, ny Vavolombelon’i Jehovah, fa mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany. (2 Timoty 3:4). Mifanohitra amin’ny lalana arahin’itỳ tontolo maty eritreritra itỳ, ny Vavolombelona iray dia mandany 17,5 ora isan-kerinandro eo amin’ny asa ara-pivavahana. Miharihary fa mirona ho amin’ny zavatra ara-panahy ny Vavolombelona. Izany no mahatonga azy ireo ho sambatra. Nilaza toy izao i Jesosy: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” — Matio 5:3, NW.
Tsy tokony hatahotra olona ny tena mpanompon’Andriamanitra, hoy ny mpanoratra ny Salamo faha-118. “Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” (Andininy faha-6). Manaisotra ny iray amin’ireo antony mahatonga fankahalana sy tahotra olon-kafa ny fatokiana feno an’Andriamanitra.
Noho ny fahafantarany fa “mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” Andriamanitra, ny Kristiana iray dia hiezaka hanaisotra ny fahatezerana tsy ho eo amin’ny fiainany, satria mety ho antony fanampiny mahatonga fankahalana izy io. Ny fampitomboana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, anisan’izany ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena, dia hanampy azy hahatontosa izany. — Salamo 86:15; Galatiana 5:22, 23, NW.
Manetry tena ny Kristiana marina, ary tsy mihevitra ny tenany ho ambony kokoa noho ny tokony ho izy. (Romana 12:3). Mamboly fitiavana izy eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny hafa. Mifanohitra amin’ny fankahalana, ny fitiavana dia “tsy mora sosotra, tsy manao otripo”. — 1 Korintiana 13:5.
Eny, afaka mahatonga ny olona hankahala ny tahotra, ny fahatezerana, na ny fahatsapana ho voaratra. Ny fitiavana anefa, amin’ny fanesorana ny fototry ny fankahalana, dia mandresy azy io. Eny tokoa, ny fitiavana no ilay hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao, satria “Andriamanitra dia fitiavana”. — 1 Jaona 4:8.
Ho foana mandrakizay ny fankahalana, tsy ho ela
Koa satria tsy anisan’ny toetran’i Jehovah Andriamanitra ny fitiavan-tena sy ny fankahalana, dia tsy afaka ny haharitra mandrakizay izy ireo. Tsy maintsy, ary tena tsy maintsy esorina izy ireo, sy soloana fitiavana haharitra mandrakizay. Raha tontolo tsy misy fankahalana ary feno fitiavana no ilay karazan-tontolo irinao mafy, dia mamelà ny Vavolombelon’i Jehovah hanazava aminao, avy ao amin’ny Baiboly, ireo zavatra takina mba hahazoana ny fiainana, mba hahitanao azy io.
Eny, maneho fahendrena ny tsirairay avy amintsika raha manontany hoe: ‘Toetra inona no manapaka ny fiainako, fitiavana sa fankahalana?’ Mihoatra noho ny fanontaniana fotsiny izany. Tsy hitepo ela intsony ny fo izay mitepo ho an’ny fahavalon’Andriamanitra, dia ny andriamanitry ny fankahalana. Ny fo izay mitepo ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fitiavana, dia hitepo mandrakizay! — 1 Jaona 2:15-17.
[Sary, pejy 10]
Na dia amin’izao andro izao aza, dia afaka mitafy fitiavana ny olona