FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/6 p. 20-23
  • Fiatrehana Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiatrehana Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no mahatsapa horohoro?
  • Ireo fototry ny fahatsapana horohoro
  • Azo tsaboina ve izy io?
  • Olana ara-panahy ve?
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Ampio Ireo Mikorontan-tsaina Lava
    Mifohaza!—2012
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/6 p. 20-23

Fiatrehana Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro

Nipetraka nilamina tao amin’ny biraony i Robert. Tampoka teo, dia nanomboka niemponempona ny fony. Ary dia nihinjitra izy raha mbola nivoa-dinitra ny handriny. Azon’i Robert antoka fa azon’ny fihetsehan’ny aretim-po izy! Noraisiny haingana ny telefaonina. “Misy zavatra mampahatahotra manjo ahy”, hoy izy nisefosefo niteny. “Mahatsiaro ho toy ny hoe ho safotra aho!”

IZANY no nandiavan’i Robert voalohany ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro. Mampalahelo fa tsy izany no farany. Nahatratra azy tatỳ aoriana io fahatsapana io tao amin’ny hotely fisakafoana iray sy tao amin’ny tranombarotra iray. Niverina mihitsy aza ilay fahatsapana horohoro teo am-pitsidihany namana. Tsy ela, ny hany toerana “tsy misy atahorana” ho an’i Robert dia ny tao an-tranony. Tamin’ny fomba niandalana dia nanjary ketraka izy. “Nieritreritra ny hamono tena mihitsy aza aho”, hoy ny fiekeny.

Enim-bolana tatỳ aoriana dia sendra nahita lahatsoratra an-gazety iray momba ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro sy ny agoraphobie i Robert. Namonjy ny ainy izay nianarany.

Nahoana no mahatsapa horohoro?

Ny fahatsapana horohoro no asetrin’ny vatana ny loza, raha ny ara-dalàna. Alao sary an-tsaina hoe miampita arabe iray ianao. Tampoka eo dia voamarikao ny fiara iray mirimorimo be manatona anao mivantana. Misy fiovana fizika sy simika eo no ho eo ao amin’ny vatanao, fiovana izay mahatonga anao ho afaka hiriotra hamonjy toerana tsy misy atahorana.

Alao sary an-tsaina anefa izao io fahatsapana horohoro io ihany kanefa tsy misy antony mazava. Hoy ny Dr. R. Reid Wilson: “Mipoitra ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro rehefa fitahiny ny atidoha hieritreritra fa misy loza mananontanona. Eo ianao mijoro eo amin’ny lalantsaran’ny fivarotana iray, tsy manahy na inona na inona. ‘Tik’. Mipika ilay fampandehanana ny fanaovan-javatra maika! ‘Fanairana farany! Miomana hiady ny rafitry ny taovanao rehetra!’ ”

Ireo izay efa nandia fihetsehan’aretina toy izany ihany no afaka mahatakatra tanteraka ny hamafin’izany. Ny gazetiboky American Health dia milazalaza azy io ho toy ny “fitosahan’ny adrenaline izay mandefa fanairana manerana ny vatanao mandritra ny dimy minitra na adiny iray na iray andro ary avy eo dia lasa haingana sy amin’ny fomba mahagaga toy ny nahatongavany, mamela anao ho reraka sy torovana ary mitaintaina miandry ny manaraka”.

Ireo fototry ny fahatsapana horohoro

Mazàna ireo fihetsehan’ny fahatsapana horohoro no manomboka eo amin’ny fotoana maha-olon-dehibe tanora ary misy fiantraikany bebe kokoa eo amin’ny vehivavy noho ny lehilahy. Inona no miteraka azy ireny? Tsy misy valiny mazava. Milaza ny sasany fa ireo mararin’izy ireny dia mirona ho voa amin’ny lafiny biolojika satria misy zavatra tsy ara-dalàna eo amin’ny système limbique ao amin’ny atidohany. Olona maro no mihevitra fa mety ho nolovana io tsy fahasalamana io, fa milaza kosa ny hafa fa miova ny fizotran’ny rafitra simika ao amin’ny atidoha noho ny anton-javatra miteraka fihenjanana.

Amin’ny toe-javatra sasany, ireo fihetsehan’aretina dia ateraky ny fahatsiarovana zavatra niainana niteraka fikorontanana anaty, toy ny ady, ny fametavetana, na ny fampijaliana ankizy. Nahariharin’ny fanadihadiana iray fa avo 13 heny amin’ny an’ny olona ankapobeny ny ampahany isan-jaton’ireo olona nanaovan’olom-pady firaisana, ka voan’ny aretina fahatsapana horohoro. Eny tokoa, na dia olana tanteraka amin’ny maha-izy azy aza ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro sy ny soritr’aretina hafa, izy ireny koa dia mety ho ilay nantsoin’i E. Sue Blume, mpanoratra, hoe “tanan-kodiarana ka ny firaisan’olom-pady no eo amin’ny foiben-kodiarana”.

Mazava ho azy fa tsy ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro rehetra no ateraky ny fikorontanana anaty. Mampitandrina anefa ny Dr. Wayne Kritsberg fa rehefa izany no mitranga, “ny fitsaboana an’ireo vokany tsy dia lehibe avy tamin’ilay fitondrana tamin’ny fomba ratsy — fa tsy ny fitsaboana ilay fikorontanana anaty tany am-boalohany — dia tsy hamaha ilay olana amin’ny fomba maharitra. Ho toy ny fisotroana sirao ody kohaka mba hitsaboana pnemonia izany”.

Azo tsaboina ve izy io?

Azo fehezina ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro. Maro amin’ireo izay mampihiboka azy ao an-trano ny tahony fahatsapana horohoro no nampiana tamin’ny alalan’ny fitsaboana fampifanatrehana. Amin’io fitsaboana io, ny marary iray dia ampifanatrehina amin’ilay tarehin-javatra atahorany ka ampiana hijanona eo izy mandra-pihenan’ilay fahatsapana horohoro. Tokony haka hevitra amin’ny dokotera ireo izay manana aretim-po, sohika, ferim-bavony nateraky ny ranom-bavony, firehetan’ny tsinaibe, na aretina mitovy amin’izany, alohan’ny hanandramana io fitsaboana io.

Azo ampiasaina ireo teknika fanalefahana ny fihenjanan-kozatra mba hanamaivanana ny fitomboan’ny tebiteby.a Resahina ao amin’ilay faritra voafefy miaraka eto hoe “Fahaizana Mampitony” ny sasany amin’izy ireo. Aza miandry ny fiantombohan’ny fahatsapana horohoro anefa. Tsara indrindra ny ampiharana an’ireo fahaizana ireo mandritra ny fe-potoana maha-kely tebiteby. Rehefa hay tsara izy ireo, dia afaka mampihena na misakana mihitsy aza ny fihetsehan’aretina ho avy.

Miroborobo ao anatin’ny fitakiana fahalavorariana sy ny fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika ny fahatsapana horohoro. “Rehefa azon’ny fihetsehan’ny tebiteby aho, dia nanapaka ny fiainako Atoa Tsy Manorina”, hoy ny marary iray. “Nilaza anakampo aho hoe satria aho nanana tebiteby, dia ambany noho ny hafa aho ka, noho izany, dia tsy maha-te ho tia.” Afaka mampihena ny tebiteby izay mitarika ho amin’ny fahatsapana horohoro ny fikosehana ny toe-tsaina toy izany.b

Misy vidiny lehibe ny famborahana an’ireo tebiteby amin’ny namana itokiana iray. Afaka manampy an’ilay marary mba hanavaka ireo olana izay tsy maintsy iaretana amin’ireo olana izay azo alamina, ny firesahana azy ireny. Tsy tokony hohamaivanina ny vavaka. Hoy ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”

Tsy hoe olana tokana, toy ny tendrombohitra, fa matetika kosa ny fiavosana tsikelikelin’ny fahoriana madinika, toa tsy misy dikany, no miteraka fahatsapana horohoro — be itoviana amin’ny hoe afaka mampitsonika ny fusible ny fandefasana fitaovana elektrika samy hafa maro loatra eo amin’ny olik’aratra iray ihany. Vahaolana iray ny fanoratana ny olana tsirairay eo amin’ny karatra indeksa sy ny fandaharana azy ireo manomboka amin’ny olana tsotra indrindra ka hatramin’ny sarotra indrindra. Alamino tsirairay isaky ny mandeha ireo olana. Ny fanoratana an’ireo fahorianao dia manova ny maha-izy azy ireo avy amin’ny hoe atahoranao ka halavirinao ho amin’ny hoe azonao jerena sy vahana.

Ny sasany dia ampiana amin’ny alalan’ny fihinanana fanafody mampitony na manalefaka fahaketrahana, asain’ny dokotera hohanina. Kanefa, mety ny hanehoana fitandremana. “Tsy heveriko fa ny fanafody irery no vahaolana”, hoy ilay mpanolo-tsaina atao hoe Melvin Green. “Tokony hampiasaina ho toy ny fameno izy ireny eo am-pitadiavana ny vahaolana. (...) Mety hamela anao ho afa-miasa kokoa ny fanafody, ary manome fahafahana anao hitady fanampiana hafa izany mba hiezahana handresy ireo antony miteraka ny agoraphobie ka hanao zavatra ho amin’ny fahasitrananao.”

Olana ara-panahy ve?

“Nieritreritra aho hoe tsy tokony handia fihetsehan’ny fanahiana ny Kristiana”, hoy i Brenda, “satria nilaza i Jesosy hoe ‘aza manahy’. Nanatsoaka hevitra aho hoe tsy maintsy ho tsy ampy ny fiankinako tamin’Andriamanitra.” Kanefa, asehon’ny teny manodidina an’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:34 fa tsy niresaka ny amin’ny aretina fahatsapana horohoro izy. Nanasongadina kosa ny loza amin’ny hoe miahy be kokoa ny zavatra ilaina ara-nofo noho ny zavatra ilaina ara-panahy, izy.

Eny tokoa, na dia ireo izay mametraka ny tombontsoa ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany aza dia mety ho voan’io aretina io, araka ny asehon’izao zavatra niainan’ny vehivavy iray avy any Failandy manaraka izao.

“Izaho sy ilay namako, izay samy Vavolombelon’i Jehovah, dia nanao fitoriana isam-baravarana. Tampoka teo dia nahatsiaro ho fanina aho. Nikatso ny saiko. Toa tsy nisy zavatra tena izy, ary natahotra aho sao hianjera. Teo amin’ny varavarana nanaraka, dia tsy nisy azoko intsony ny resaka.

“Nitranga tamin’ny 1970 io zavatra niainako nampihoron-koditra io. Izy io no voalohany tamin’ny fitohitohizana famelezan’aretina hafahafa izay nampahory ahy nandritra ny roapolo taona nanaraka. Tamin’ny fomba niverimberina, dia tao anatin’ny tontolo manjavozavo aho, tsy afaka nieritreritra mazava. Nahatsiaro ho fanina aho, ary niemponempona ny foko. Niakanakana aho niteny na tsy nahatadidy teny mihitsy.

“Mpanompo manontolo andro tanora sy tomady ary sambatra anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Toy inona moa ny fitiavako nanampy ny hafa hahazo ny hevitry ny Baiboly! Fijalijaliana tsy an-kijanona ho ahy anefa ireny fihetsehan’aretina ireny. Nanontany tena hoe: ‘Inona no tsy nety tamiko?’ Namantatra ny aretiko ho androbe mihelina ny neurologue iray. Nandritra ny folo taona nanaraka, dia nihinana ny fanafody nasainy hohaniko aho. Na dia izany aza, dia nanontany tena aho hoe nahoana no tsy nisy vokany firy ilay izy. Nanjary nanaiky ny tsy fahasalamako ho toy ny zavatra tsy maintsy niaretako tsotra izao aho.

“Rehefa afaka elaela dia nanjary takatro fa tsy androbe ny aretiko, ary tsy nandaitra ilay fanafody nasaina hohaniko. Na dia ny fandehanana an-tongotra mahazatra aza dia asa sarotra notanterahina. Nitaintaina aho hifanena tamin’olona teny amin’ny lalana nalehako. Nitaky ny tanjako rehetra ny fanatrehana an’ireo fivoriana kristiana. Matetika aho no nipetraka tera-tsemboka sy fanina sady teo amin’ny fihirifako ny tanako, ny foko niemponempona, ary ny saiko poaka aty. Indraindray dia tsaroako ho nihenjana sy azon’ny fivonkinan-kozatra ny vatako iray manontolo. Indray mandeha dia azoko antoka fa ho faty aho.

“Nanampy mba hanohanana ahy ny fanompoako, na dia tsy fahagagana kely aza ny hoe afaka nanohy azy io tokoa aho. Indraindray dia faran’izay mafy aoka izany ny nitarika fampianarana Baiboly, hany ka voatery nandimby ahy ny namako. Marina tokoa fa ezaka ataon’ny ekipa ny fitoriantsika, ary amin’ny farany dia Andriamanitra no mampitombo. (1 Korintiana 3:6, 7). Mandre ka mandray tsara ireo olona toy ny ondry, na dia eo aza ny fetran’ilay mpampianatra.

“Indray andro tamin’ny Martsa 1991, dia nampiseho ahy bokikely momba ny aretina fahatsapana horohoro ny vadiko. Nitovy indrindra tamin’ny ahy ireo soritr’aretina voalazalaza tao! Namaky zavatra hafa momba ilay loha hevitra aho, nanatrika famelabelaran-kevitra, sy nifanao fotoana tamin’ny manam-pahaizana manokana iray. Taorian’ny roapolo taona, dia fantatra, rehefa ela ny ela, ilay olana nahazo ahy. Teo an-dalana ho amin’ny fahasitranana aho!

“Azo ampiana amin’ny alalan’ny fitsaboana mifanentana ny ankamaroan’ireo azon’ny aretina fahatsapana horohoro. Afaka ny ho fanohanana lehibe ireo namana rehefa mangoraka izy ireo. Tsy manototra fahatsapana ho meloka eo amin’ny olona iray efa mikorontan-tsaina ny namana mahay manavaka iray, fa hahatakatra kosa fa tsy minia ho tsy tia miaraka amin’ny olona ilay azon’ny aretina fahatsapana horohoro. — Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 5:14.

“Rehefa manao jery todika an’ireo 20 taona lasa aho, dia velom-pankasitrahana fa teo am-pamakivakiana izany rehetra izany, dia afaka nitoetra tao amin’ny fanompoana manontolo andro aho. Fitahiana mendrika tsara ny hanaovana ilay ady mafy izany. Tetsy an-danin’izany, dia takatro fa tahaka an’i Epafrodito, ny sasany dia tsy maintsy mandao tombontsoam-panompoana noho ny tsy fahasalamana. Tsy hoe diso fanantenana amin’ny olona toy ireny i Jehovah. Tsy manantena zavatra mihoatra noho izay azon’ny olona iray omena araka ny antonona izy.

“Ny fiaraha-niaina tamin’io aretina io dia nampianatra ahy mba tsy hihevi-tena ho zava-dehibe loatra. Nahatonga ahy ho afaka hangoraka ny hafa izay manana ny fetrany izy io. Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia nanampy ahy hanakaiky an’i Jehovah izy io. Nandritra ilay fitsapana henjana nahazo ahy, dia niverimberina nihevitra azy ho tena loharanon’ny tanjaka sy ny fampiononana aho.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manalavitra teknika izay mahafaoka hypnotisma na fanaovan’ny tena hypnotisma amin’ny tena, ny Kristiana. Kanefa, misy fampiasan-tena sasany atao amin’ny alalan’ny fijeren’ny maso sy anaovana fisaintsainana izay mazava fa tsy mahafaoka fanafoanana ny saina na ny fanolorana azy io ho eo ambany fifehezan’olon-kafa. Fanapahan-kevitra manokana ny hoe hanaiky an’ireo fitsaboana ireo sa tsia. — Galatiana 6:5.

b Mba hahazoana fanazavana misimisy momba ny fikosehana eritreritra tsy manorina, dia jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Oktobra 1992, pejy faha-3-9, sy tamin’ny 22 Oktobra 1987, pejy faha-7-16.

[Efajoro, pejy 22]

Fahaizana Mampitony

Fisefo tony. Matetika no arahina fisefosefoana ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro. Mba hampitonena ny fisefonao, dia andramo itỳ fampiasan-tena itỳ: Mandria mihohoka. Manisà hatramin’ny enina eo am-pifohanao rivotra; manisà hatramin’ny enina eo am-pamoahanao rivotra. Manaraka izany, dia andramo io fisefoana lalina io ihany eo am-pipetrahana. Avy eo, dia andramo izy eo am-pitsanganana. Miainà lalina miainga any amin’ny elabakaka, ary ataovy isan’andro izy io mandra-pahatongany ho mandeha ho azy. Mandray soa ny sasany amin’ny fakana sary an-tsaina toerana manodidina kanto eo am-panaovana an’io fampiasan-tena io.

Fieritreretana tony. ‘Ahoana raha torana aho?’ ‘Ahoana raha tsy misy olona eo hanampy ahy?’ ‘Ahoana raha mitsahatra tsy mitepo ny foko?’ Manetsika ny fahatsapana horohoro ny eritreritra momba ny loza. Koa satria mazàna momba ny loza ho avy na ny fihetsehan’aretina efa lasa ireny eritreritra ireny, dia miezaha hifantoka amin’ny tarehin-javatra ankehitriny. “Mampitony eo no ho eo ny fifantohana amin’ny ankehitriny”, hoy ny Dr. Alan Goldstein. Manolo-kevitra ny sasany ny amin’ny anisianao fingotra manodidina ny hatotanananao. Rehefa mipoitra ny eritreritra momba ny loza, dia sintony ilay izy ka milazà amin’ny tenanao hoe: “Aoka izay!” Sakano ny tebiteby alohan’ny mety hitomboany ho fahatsapana horohoro.

Fihetsika tony. Raha mahazo anao ny fahatsapana horohoro, dia aza iadiana izy io. Fahatsapana fotsiny izy io, ary tsy voatery hanimba anao ny fahatsapana. Alao sary an-tsaina hoe any an-dranomasina ianao mijery ireo onja. Miakatra izy ireo, mahatratra ny tampony, ary avy eo dia mipariaka. Mandeha amin’ny fomba toy izany koa ny fahatsapana horohoro. Aza iadiana ilay onja, fa araho kosa. Handalo io fahatsapana io. Rehefa tapitra ilay izy, dia aza manao fihetsika na fandinihana tafahoatra. Lasa ilay izy, tahaka ny famelezan’ny evina na ny aretin’andoha.

Tahaka ny mpampijaly kely ny fahatsapana horohoro. Ilao ady izy dia hamely; aza ilana ady izy dia mety handeha. Manazava ny Dr. R. Reid Wilson fa ny fahaizana mampitony dia “tsy natao mba hahafahanao ‘hiady’ tsara kokoa amin’ny fahatsapana horohoro na ‘handroaka’ ny fahatsapana horohoro amin’io fotoana io. Hevero kosa ho toy ny fomba handanianao fotoana ireny [fahaizana ireny] rehefa mitady hila ady aminao ny fahatsapana horohoro”.

[Efajoro, pejy 23]

Agoraphobie, Tahotra ny Tahotra

Olona maro voan’ny fihetsehan’ny fahatsapana horohoro no azon’ny agoraphobie. Na dia nofaritana hoe tahotra ny toerana ampahibemaso aza ny agoraphobie, izy io dia azo antsoina araka ny marina kokoa hoe tahotra ny tahotra. Ireo olona voan’ny agoraphobie dia matahotra aoka izany ny fahatsapana horohoro, hany ka manalavitra ny toerana rehetra nitrangan’ny fihetsehan’izy io teo aloha izy ireo. Tsy ela, ny hany toerana “tsy misy atahorana” no sisa mitoetra — mazàna ao an-trano.

“Alao sary an-tsaina hoe mivoaka ny tranonao ianao”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Melvin Green. “Tampoka eo, tsy hita hoe avy taiza na taiza, dia mipoitra ny lehilahy goavana indrindra hitanao hatramin’izay. Manana fikapoham-baolina amin’ny base-ball izy, ary tsy misy antony akory, dia mikapoka anao eo amin’ny lohanao. Mivembena ianao miverina ao an-trano, tsy mino izay vao avy nitranga. Rehefa mahatsiaro ho tsara kokoa ianao, dia manarangarana eo am-baravarana ary toa ara-dalàna ny zava-drehetra. Manomboka midina eo amin’ny lalana indray ianao. Tampoka eo dia eo izy, ary voakapoka indray ianao. Miverina ao an-trano izay maha-afa-doza anao ianao. Mitsirika eo amin’ny varavarana any ambadika ianao. (...) Eo izy. Mitsirika eo am-baravarankely ianao. (...) Eo izy. Fantatrao fa raha mivoaka ny faritra tsy misy atahorana ao an-tranonao ianao, dia ho voakapoka indray. Fanontaniana: Hivoaka ve ianao?”

Olona maro voan’ny agoraphobie no mampitaha ny fahatsapany amin’io fanoharana io ka mihevitra fa tsy misy fanantenana ny tsy fahasalaman’izy ireo. Manolotra izao fanomezan-toky izao anefa ny Dr. Alan Goldstein: “Tsy maningana ianao, tsy irery ianao. (...) Afaka manampy ny tenanao ianao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara