Moa ve Ianao efa Nahita Tsela-pahazavana Maitso?
MAHAFINARITRA toy inona moa ny manao veloma ny andro hafa iray indray rehefa mibanjina masoandro mody kanto! Manome fisehoana loko manaitra ny maso ny famirapiratana mafana avy amin’ny masoandro, rehefa mamakivaky ny atmosferan’ny tany ny hazavana. Manasongadina an’io fisehoan-javatra mampientana io ny zava-mitranga tsy mahazatra iray antsoina hoe tsela-pahazavana maitso. Raha mety ny toe-javatra, dia mitranga amin’ny minitra faran’ny filentehan’ny masoandro io fipoiran’ny hazavana maitso mamirapiratra io. Lazaina fa vao mainka kanto ny fisehoan-javatra tsy fahita matetika kokoa antsoina hoe tsela-pahazavana manga.
Inona no mahatonga an’ireny tsela-pahazavana mareva-doko ireny? Nahoana izy ireny no tsy maharitra afa-tsy indray mipy maso monja? Ary nahoana izy ireny no tsy fahita firy aoka izany? Mba hamaliana an’ireo fanontaniana ireo, dia tsy maintsy manana fahazoana hevi-javatra fototra momba ny hery mifamaly eo amin’ny hazavan’ny masoandro sy ny atmosferan’ny tany isika.
Misy ny loko rehetra amin’ny avana ny hazavan’ny masoandro miantefa amin’ny tany. Rehefa mitsofoka amin’ny atmosferan’ny tany io hazavana io, dia miasa toy ny iraizotongotra goavana ny atmosfera ka manaparitaka, na mampiely, ny hazavana. Ny halavirana ielezan’ny onjan-kazavana iray anefa dia miankina amin’ny halavan’ny onjany.
Manana halavan’onja fohy kokoa sady miparitaka be manerana ny atmosfera manontolo, ny onjan-kazavana manga. Izany no mahatonga ny lanitra ho toa manga rehefa tena ambonin’ny faravodilanitra ny masoandro amin’ny andro mazava iray. Rehefa manakaiky ny faravodilanitra anefa ny masoandro — toy ny amin’ny filentehan’ny masoandro — ny hazavan’ny masoandro dia tsy maintsy mamakivaky faritra be kokoa amin’ny atmosfera mba hipaka amin’ny masontsika. Vokatr’izany, dia tsy mipaka amintsika ny hazavana manga miparitaka be. Etsy an-danin’izany, ireo onja lava kokoa, toy ny mena, dia afaka mitsofoka mora foana amin’ny atmosfera matevina. Manome ho an’ny masoandro mody an’ilay lokony mena na volomboahangy mahazatra izany.a
Ao anatin’ny toe-javatra sasany anefa, dia mety ho hita amin’ny fotoan’ny filentehan’ny masoandro ny tsela-pahazavana maitso na ny tsela-pahazavana manga. Ahoana no itrangan’izy ireny? Rehefa milentika eny amin’ny faravodilanitra ny sisiny ambony amin’ny masoandro, dia mizara ho ilotro (spectre) tahaka ny avana ny hazavan’ny masoandro. Miseho eo amin’ny farany ambany amin’ilay ilotro ny hazavana mena, ary eo an-tampony ny hazavana manga. Rehefa manohy milentika ny masoandro, ilay ampahany mena amin’ny ilotro dia milentika eny amin’ny faravodilanitra ary mazàna ilay ampahany manga dia aparitaky ny atmosfera. Amin’io fotoana io no afaka mitselatra maitso ny sombiny farany amin’ny hazavana hita maso. Nahoana anefa no maitso? Satria ny maitso no loko fototra hafa amin’ny hazavana.
Rehefa maloto be ny habakabaka, dia mahalana vao hita ilay tsela-pahazavana maitso, ary ny tsela-pahazavana manga dia tsy mitranga afa-tsy rehefa mazava amin’ny fomba miavaka ny atmosfera sady misy hazavana manga ampy managorobaka ny habakabaka ka mahatonga tsela-pahazavana mamiratra hiseho.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Desambra 1987, pejy faha-16, mba hahazoana fanazavana misimisy momba ny filentehan’ny masoandro.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Masoandro mody: ©Pekka Parviainen/SPL/Photo Researchers