FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/3 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
Mifohaza!—1996
g96 8/3 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fijerena An’izao Tontolo Izao Manjary mihamahaliana hatrany ny gazetinareo. Mamelabelatra ny karazana foto-kevitra rehetra — fisehoan-javatra ankehitriny, fanatanjahan-tena, siansa, sy ny toy izany — izy ireo. Faran’izay mahaliana ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”. Heveriko fa raha nifototra tamin’io lahatsoratra misongadina io ireo vaovao ao amin’ny televiziona, dia ho nahaliana be lavitra.

R. S., Italia

Tena ankasitrahako tokoa ireo foto-dresaka velabelarina ao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”. Ny iray nisy heviny tanteraka tamiko dia tao amin’ny nomerao tamin’ny 22 Aprily 1995 (frantsay). Ilay foto-dresaka dia hoe “Le profil de l’enseignant apprécié”. Nilaza ilay lahatsoratra fa tsy voatery ho tia an’ireo mpampianatra izay manome enti-mody kely kokoa ny mpianatra, fa tiany ireo mpampianatra izay tsara fanahy, miahy, sy tsy miangatra. Izany no marina! Izaho dia nanana fanandraman-javatra maro aoka izany ny amin’ireo mpampianatra izay mampiseho fiangarana amin’ny mpianatra mamy hoditra mba ho mamy hoditra koa ny tenany. Amin’ny farany anefa, dia tsy mitoetra ho mamy hoditra ireny mpampianatra ireny. Misaotra indray noho io fanazavana sarobidy io.

L. K., Etazonia

Fanambarana Mialoha Sandoka Misaotra noho ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Prédictions erronées ou prophéties véridiques? Comment savoir?” (22 Jona 1995, frantsay). Na dia nianatra ny Baiboly isan’andro tao anatin’ny 42 taona aza aho ka niezaka handray an’ilay fanazavana momba ny famantarana ny andro farany, dia azoko lazaina fa tena nanampy ahy tokoa ilay famintinana mazava nomenareo momba ny andinin-teny rehetra ny amin’io foto-kevitra io. Nataonareo ho mora tadidina io foto-kevitra io. Sakafo ara-panahy mahatalanjona izy io!

M. B., Etazonia

Halatra Telo ambin’ny folo taona aho, ary ny halatra no olana tamiko. Nangala-bola aho, na nankany amin’ny fivarotana iray dia nangalatra siligaoma. Naniry ny hijanona aho, kanefa tsy nisy na inona na inona nanampy mandra-pahazoko ny Mifohaza! tamin’ny Oktobra-Desambra 1995 sy nandinihako ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe... Halatra — Koa Nahoana Moa?” Tena nanohina ahy tokoa izy io. Nanampy ahy hivavaka tamin’i Jehovah izy io sy hahafantatra fa hamela heloka dia hamela heloka ahy tokoa izy. Tiako ny ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary fantatro fa tsy ho ao ny olona izay mangalatra. Misaotra noho ny famoahana io lahatsoratra io.

J. A., Kanada

Telo amby roapolo taona aho ary migadra noho ny halatra. Noho ny faneren’ireo mitovy taona amiko no nanombohan’ny zava-drehetra. Tian’izy ireo aho hanao vosoboso-dratsy tamin’ny olona iray, ary nanomboka tamin’izay dia niharatsy ny toe-javatra. Marina aoka izany ilay lahatsoratra. Antenaiko fotsiny mba hanaraka ilay torohevitra ny tanora dieny tsy mbola tara loatra. Amin’izany fomba izany, dia afaka misoroka ny hiafara amin’ny toerana misy ahy — atỳ am-ponja — izy ireo.

M. S., Etazonia

Tantaram-piainana Vao avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Dieu a pris soin de moi”, aho. (22 Jona 1995, frantsay). Ny famakiana momba ny fomba nitondran’ny mpianakaviny an’i Celeste Jones tamin’ny fomba ratsy — ary anefa mbola nitana hatrany ny finoany sy niaritra izy — dia nahatonga ahy hampanantena ny tenako fa hiezaka mafy aho mba tsy hitaraina intsony mihitsy momba ny tsy fahasalamako manokana.

J. P., Etazonia

Amin’ny maha-olona somary tsy sembana kokoa noho i Celeste Jones ahy, dia manana fahalalana manjavozavo ny amin’ny herim-po nilainy mba hitoerana ho mafy orina, aho. Misaotra manokana an’izay rehetra nanampy tamim-pahamoram-panahy an’i Celeste ka nanome azy ny fikarakarana tena nilainy ho amin’ny fanompoany.

W. R., Kanada

Nanohina ahy ilay lahatsoratra. Nanatanjaka ny finoako izy io ary nanampy ahy hahatakatra fa ny fomba mandaitra indrindra hanampiana ny mpiara-belona amintsika dia ny fampiasana ny fomba azo atao rehetra mba hitoriana amin’izy ireo.

P. H. P., Nizeria

Nampihetsi-po ahy lalina sy nampahery ahy ny zavatra niainan’i Celeste. Mihantitra aho ary mandia an’ireo fangirifiriana sy fanaintainana rehetra izay miaraka amin’ny fahanterana, kanefa manome ahy tanjaka fanampiny mba hiatrehana izany ny zavatra niainany.

M. R., Jamaika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara