Faikan-javatra noklehera — Ilay fako mahafaty
TSY ny fako migorodana avy any an-trano ihany no loza mananontanona hanakana ny fizotry ny fiainana eto amin’ity tontolo ity. Vasoka no sady tsy misy dikany izany raha mitaha amin’ny zava-manahirana hafa iray momba ny faikan-javatra izay lehibe lavitra sy mamono lavitra. Hatramin’ny nianaran’ny olombelona voalohany nifehy ny ataoma mba hanaovana fiadiana noklehera sy hamokarana aratra, ireo mpahay siansa dia ao anatin’ny fahasahiranan-tsaina raha ny amin’ny fomba azo antoka indrindra azo ampiasaina mba hanariana ny faikan-javatra noklehera tena radiôaktifa be avy amin’ireny fandaharam-pamokarana ireny.
An’arivony tapitrisa dôlara maro no efa lany amin’ny ezaka atao mba hahitana ny fomba hiarovana ny mponina sy ny tontolo iainana tsy ho voapoizina hatramin’ny taranaka ho avy amin’io faikan-javatra mahafaty io. Asa goavana tokoa izany, satria ny faikan-javatra radiôaktifa dia mety hitoetra ho loza mahafaty ho an’ny zava-miaina rehetra, mandritra ny an’arivony taona maro!
Nandritra ny am-polony taona maro dia natoby fotsiny tao anaty lavaka fandevenana na tao anaty kamory tantera-drano io faikan-javatra io noho ny finoana fa hiempo ao anaty rano ireny zavatra mampidi-doza ireny ka tsy hanimba intsony — fiheverana izay niteraka vokatra nahatsiravina, araka ny ho hitantsika izao. Faikan-javatra manana heriny radiôaktifa avo dia avo an-tapitrisany litatra maro no notahirizina tao anaty fitoeran-drano goavana any ambanin’ny tany; ny faikan-javatra hafa dia nohidiana mafy tao anaty barika ary notahirizina etỳ ambonin’ny tany, fomba fanariana hafa iray hita fa mampidi-doza.
Mampidi-doza sy mahafaty aoka izany io faikan-javatra noklehera io, hany ka nandinika ny zavatra rehetra azo atao ireo mpahay siansa, manomboka amin’ny fandefasana ilay faikan-javatra any amin’ny habakabaka tsy taka-maso any ka hatramin’ny fametrahana azy any ambanin’ny ranomandrin’ireo tendron-tany. Amin’izao fotoana izao dia misy famotopotorana atao momba ny maha-azo atao na tsia ny fanjerana faikan-javatra ao anaty vata metaly any amin’ny faritra avaratry ny ranomasina Pasifika, izay antenaina ny hilentehany any amin’ny 30 metatra ambanin’ny fotaky ny fanambanin’ny ranomasina. “Manana zavatra tsy maintsy hokarakaraina isika eto amin’ity planeta ity, na etỳ an-tanety, na any anaty rano na any ambanin’ny ranomasimbe. Izay ihany no ananantsika”, hoy ny filoha lefitra ao amin’ny “Institut océanographique Woods Hole” (Fikambanana momba ny fandinihana ny fiainana any anaty ranomasina sy izay mahaforona azy).
Amin’izao fotoana izao aloha, ho vahaolana vonjy maika mandra-pahita ny fomba fandaminana azo antoka kokoa sy maharitra kokoa, ny ankabetsahan’io zavatra radiôaktifa io dia notahirizina ao anatin’ny dobo feno rano ao amin’ny trano lehibe nohidiana mba tsy hahafahany mivoaka avy tao. I Ontario, any Canada, ohatra, dia manana milina mpamokatra angôvo noklehera 16 izay efa namokatra faikan-javatra radiôaktifa mihoatra ny 7 000 taonina, voatahiry ao anaty fitoerany toy izany amin’izao fotoana izao. I Grande-Bretagne koa dia miatrika ilay olana mahavery hevitra ny amin’izay tokony hataony amin’ny faikan-javatra eo aminy. Amin’izao fotoana izao, dia hazonina ao amin’ireo toby etỳ ambonin’ny tany ny faikan-javatra manana heriny radiôaktifa avo dia avo, ary io fomba fanao io dia ampoizina hitohy mandra-pahita toby tsy tantera-drano any ambanin’ny tany izay ho voaporofo fa hety amin’izany tokoa. I Frantsa sy i Alemaina ary i Japana koa dia miezaka mafy handamina ny zava-manahirana momba ny faikan-javatra noklehera any aminy.
“Ny tetik’asa arahin’ny fitondram-panjakana any Etazonia”, hoy ny filazan’ny The New York Times, “dia ny fiheverana fa ny fomba azo antoka indrindra dia ny fandevanana ao amin’ny ‘soson-tany lalina’, any amin’izay toerana maina, mafy orina ary foana. Kanefa dia hita fa sarotra ny hahitana izany toerana izany.” Sarotra tokoa! Araka ny hevitr’ireo mpahay siansa, dia tokony ho toerana maina sy mafy orina aoka izany izy io ka afaka hihazona ireo zavatra ireo amin’ny fomba azo antoka mandritra ny 10 000 taona. Na dia afaka ny hitoetra ho loza mahafaty mandritra ny 250 000 taona eo ho eo aza ny sasany amin’io faikan-javatra ataomika io, dia mino ny manam-pahaizana fa hisy fiovana ara-jeôlôjia betsaka aoka izany hiseho ao anatin’ny 10 000 taona “ka tsy misy antony ny fanandramana hanao fikasana ho an’izay hitranga aorian’izany.” “Tsy mahafantatra mihitsy aho eto amin’ity tany ity môdelina vinavina izay afaka hiresaka na dia ny amin’ny planina 1 000 taona aza”, hoy ny manam-pahaizana fanta-daza iray momba ny loza ateraky ny gaza radiôaktifa. Nanampy izy fa “sarotra ny hiresaka ny amin’ny loza ara-pahasalamana mety hitranga any amin’ny 10 000 taona ho avy.”
Loza aman’antambo!
Rehefa namboraka ny tsiambaratelon’ny ataoma ireo mpahay siansa, dia namaha koa niaraka tamin’izay fisehoan-javatra hafahafa vaovao iray izay tsy nampoiziny velively — ny nofy ratsin’ny fandotoana mahafaty nanaraka izany. Na dia taorian’ny fampitandremana ny amin’izay mety ho loza aza, dia ninia tsy niraharaha ireo fampitandremana ireo manam-pahefana tao amin’ny fitondrana. Ny fiadiana ataomika dia nanjary naka ny toerana voalohany teo amin’ireo firenena manana ny fahaizana sy ny fitaovana hanamboarana azy, ka navelany ny fiahiana ny amin’ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny ainy ary izay hahatsara ny tontolo iainana. Nampiasaina ny fanao voamariky ny tsy fitandremana teo amin’ny fitahirizina ilay faikan-javatra mahafaty. Ohatra: Tao amin’ny orinasa fanaovana fitaovam-piadiana ataomika iray, “dia naidina tao anatina lavaka sy kamory tsy voaisy sosona anatiny ny faikan-javatra mampidi-doza 750 000 tapitrisa litatra, ampy hahasafotra an’i Manhattan ao anatin’ny halalina 12 metatra”, hoy ny nosoratan’ny U.S.News & World Report tamin’ny Martsa 1989. Ny poizina nitsika dia nandoto fara fahakeliny 260 kilaometatra toradroa tamin’ny velaran-drano any ambanin’ny tany. Notahirizina ao anaty fitoeran-drano goavana any ambanin’ny tany ny rano maloto manana hery radiôaktifa avo dia avo eo amin’ny 170 tapitrisa litatra eo ho eo, ary hihoatra ny 50 ny isan’ny baomba mitovy habe amin’ilay nandrava an’i Nagasaki azo amboarina avy amin’ny ‘plutonium’ tafavoaka avy amin’ireny fasiana azy ireny”, hoy ilay gazetiboky. Araka ny faminavinana, dia ho tafakatra eo amin’ny 65 000 tapitrisa dôlara eo ny ho lany amin’ny fanadiovana io toerana io.
Tonga nafana aoka izany noho ny hafanana radiôaktifa ny sasany tamin’ireo fitoeran-drano namboarina mba hasiana faikan-javatra noklehera ka triatra. Araka ny faminavinana, dia faikan-javatra radiôaktifa 2 tapitrisa litatra no tafavoaka ho any anatin’ny tany. Nisy rano fisotro voaloton’ny “strontium-90” (metaly miloko mavo mitovy amin’ny kalsioma) radiôaktifa avo arivo heny noho ny fetra azo ekena ho an’ny rano azo sotroina noferan’ny Masoivoho mpikarakara ny fiarovana ny tontolo iainana. Tany amin’ny orinasa fanamboarana fiadiana ataomika hafa iray, dia “nisy zavatra radiôaktifa avy amin’ireo lavaka fitahirizana faikan-javatra avy amin’ny ‘uranium’ mahalany 42 tapitrisa litatra (...) tafavoaka ho any amin’ny tahirin-drano iray any ambanin’ny tany ary nandoto ireo lava-drano hatrany amin’ny 1 km latsaka kely any atsimon’ilay toerana”, hoy ny nambaran’ny The New York Times. Mitatitra ihany koa io gazety io fa, any amin’ny fanjakan’i Washington, dia rano voaloto an’arivony tapitrisa litatra maro no nararaka tany anaty tany, ka riaka tsy ankijanona mitondra “tritium” radiôaktifa no mikoriana mankany amin’ny reniranon’i Columbia.
Araka ny filazan’ny The New York Times, tany Idaho dia nisy “plutonium” tafavoaka avy tao amin’ireo lavaka tsy dia lalina loatra nasiana faikan-javatra any amin’ny Toerana Fikarakarana ireo faikan-javatra radiôaktifa. “Mitsika avy amin’ireo sosona vato izy io ary mankany amin’ny tahirin-drano midadasika any ambanin’ny tany izay mamatsy mponina an’arivony maro any amin’ny faritra atsimon’i Idaho.” Nitsofoka any amin’ny halalina 70 metatra, efa ho antsasa-dalana mankany amin’ny tahirin-drano, ilay zavatra mahafaty, hoy ilay gazety.
Loza mahafaty manao ahoana moa no aterak’izany “plutonium” nidina ho any anaty renirano sy ony ary avy eo dia miparitaka eny amin’ny rivotra izany? Hoy ny The New York Times: “Ny ‘plutonium’ dia mitoetra ho radiôaktifa mandritra ny 250 000 taona, ary na dia ireo sombin-javatra faran’izay bitika aza dia mety hahafaty raha voatroka na voatelina.” “Mety hahatonga homamiadana ny fitrohana na dia potika faran’izay bitika iray monja amin’ny vovoka ‘plutonium’ aza”, hoy ny gazetiboky Newsweek.
Tsy mbola fantatra ireo vokatra eo no ho eo sy any aoriana ateraky ny faikan-javatra noklehera eo amin’ny olona. Mety tsy ho fantatra mihitsy aza izany. Ampy fotsiny anefa ny milaza fa, any amin’ny foibe noklehera iray, misy olona 162 no nanaovana tatitra fa voan’ny homamiadana eo amin’ireo izay mipetraka ao anatin’ny kilaometatra maromaro manodidina ilay toerana. Matahotra ny hisotro ilay rano ny mponina, ary be dia be ny tahotra. “Hisy olona hafa eo amin’ny enina ka hatramin’ny 200 eo ho voan’ny homamiadana eo amin’izy ireo”, hoy ny manam-pahaizana iray avy any amin’ny oniversite sady mpanome torohevitra ireo mpiasan’ilay orinasa. “Raiki-tahotra izy rehetra. Toa tsapany fa veriny ny fifehezana ny tontolo iainany sy ny fiainany mihitsy.”
Ary izany mihitsy no izy. Taonjato maro lasa izay, ny mpaminany mahatokin’i Jehovah iray dia nilaza hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Tsy isalasalana fa nanamarina ireo teny ireo ny tantara — ary amin’ny fomba mampivarahontsana indrindra amin’izao andro farany izao. Ny fahasahiranana mitombo momba ny fako dia iray monja amin’ireo tsy fahombiazan’ny olombelona hitondra ny diany amim-pahendrena.
Tsy misy antony tokony hahakivy anefa. Mampiseho mazava tsara ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa tsy ho ela dia hofoanan’ny Mpamorona ity fandehan-javatra ankehitriny ity ka hampidiriny amin’izay ny tontolo vaovao iray. Tsy handefitra ela intsony amin’ny ataon’ny olombelona amin’ny tany sy amin’ny tenany izy fa ‘hanimba izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:18). Aorian’izay, eo ambanin’ny fitarihan’ny Mpamorona, ny olombelona dia hianatra ny hikarakara ny tany amin’ny fomba tsara sy hampiasa ireo harena ao aminy amim-pahendrena. — Salamo 37:34; 2 Petera 3:10-13.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Afaka ny hitoetra ho loza mahafaty mandritra ny 250 000 taona ny faikan-javatra noklehera
[Teny notsongaina, pejy 22]
“Mety hahatonga homamiadana ny fitrohana na dia potika faran’izay bitika iray monja amin’ny vovoka ‘plutonium’ aza”