FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 31
  • Ny Lelan’ny Kôlibria

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Lelan’ny Kôlibria
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Lelan’ny Kôlibria
    Mifohaza!—2010
  • Lela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Manehoa Fitiavana sy Fanajana ka Fehezo ny Lelanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fa Maninona àry no Tsy Mety Foana ny Zavatra Teneniko?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 31
Kôlibria mamoaka ny lelany, dia maka mamimbony amin’ny voninkazo.

Moment/Robert D. Barnes via Getty Images

NISY NAMORONA VE?

Ny Lelan’ny Kôlibria

Nieritreritra ny mpahay siansa taloha hoe trohin’ny kôlibria amin’ny lelany ny mamimbony. Hita tamin’ny fikarohana natao tatỳ aoriana anefa fa be pitsiny kokoa ny fomba hakan’io vorona io mamimbony, fandrihany ilay izy.

Diniho izao: Rehefa mikasika amin’ny mamimbony ny lelan’ny kôlibria, dia lasa misampana roa. Misy zavatra mety misokatra amin’ny sampany tsirairay. Mihidy foana izy io, fa raha vao mikasika mamimbony nefa ilay sampana, dia tonga dia misokatra ilay izy dia manangona mamimbony. Mifanohitra amin’izany no mitranga raha vao tsy mikasika intsony an’ilay mamimbony ny lelan’ilay vorona. Mihidy ilay zavatra mety misokatra eo amin’ilay sampany, dia hoatran’ny hoe voafandrika ao ilay mamimbony. Alain’ilay vorona amin’ny lelany izany ilay mamimbony fa tsy hoe trohiny akory.

Sary: Kôlibria maka mamimbony amin’ny voninkazo. Sary kely: 1) Miditra ao anaty mamimbony ny lelany. 2) Maka mamimbony ilay lelany misampana roa.

Latsaky ny ampahafolon’ny segondra no itrangan’izany, sady averimberin’ilay vorona rehefa maka mamimbony izy, hoy ireto manam-pahaizana ireto: Alejandro Rico-Guevara, Tai-Hsi Fan ary Margaret Rubega. Milaza koa ry zareo fa fitaovana tena mandaitra hahazoan’ny kôlibria mamimbony ny lelany. Miova endrika haingana be ilay izy raha vao mikasika ranon-javatra na miala amin’ilay izy.

Ankoatra an’izay, dia tsy mampiasa hery mihitsy ilay vorona rehefa manao an’izany. Hery avy any ivelany tsinona no mahatonga an’ilay zavatra eo amin’ny sampany amin’ny lelan’ilay vorona hihidy na hisokatra rehefa mikasika amin’ny ranon-javatra izy na miala amin’ilay izy.

Faran’izay mahay maka ranon-javatra ny lelan’ny kôlibria, dia tian’ny manam-pahaizana alaina tahaka izany amin’ny resaka fitsaboana, fanamboarana robot na zavatra hafa. Mety hanampy koa aza izany amin’ny fanamboarana fitaovana fanadiovana ranon-javatra na menaka miparitaka.

Jereo ny kôlibria mamoaka ny lelany

Ahoana ny Hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny lelan’ny kôlibria, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara