FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 34
  • Manana ny Baiboliny Manokana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manana ny Baiboliny Manokana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Olona An-tapitrisany Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 34
Lehilahy mamaky Baiboly

Manana ny Baiboliny Manokana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mampiasa fandikan-teny maro samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mianatra Baiboly. Tena tianay anefa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’izay fiteny efa nandikana azy io, satria mampiasa ny anaran’Andriamanitra izy io ary mazava sy marina tsara.

  • Mampiasa ny anaran’Andriamanitra. Nisy mpampanonta Baiboly tsy nanome voninahitra an’ilay nampanoratra ny Baiboly akory. Hita ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly iray, ohatra, ny anaran’ireo olona 70 mahery nandray anjara tamin’ny famoahana an’ilay izy. Tsy nampidirin’izy ireo tao amin’io Baiboly io anefa ny anaran’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly.

    Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao kosa namerina ny anaran’Andriamanitra amin’ny toerana an’arivony nisy azy tany am-boalohany. Tsy nitonona anarana koa ireo nandray anjara tamin’ny famoahana an’io fandikan-teny io.

  • Marina tsara. Tsy ny fandikan-teny rehetra no mampita amin’ny fomba marina tsara an’izay nolazain’ny Baiboly tany am-boalohany. Izao, ohatra, no nandikana ny Matio 7:13 ao amin’ny fandikan-teny iray: “Midira amin’ny vavahady tery, satria lehibe ny vavahady mankany amin’ny afobe ary tsy sarotra ny mandeha amin’ilay lalana.” “Fandringanana” anefa no resahina ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany, fa tsy “afobe.” Mety hoe nampidirin’ny mpandika teny ilay teny hoe “afobe”, satria nino izy ireo fa hampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. Marina tsara àry ny nandikana an’io andininy io ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Izao no voalaza ao: “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana.”

  • Mazava tsara. Tokony hazava tsara, izany hoe mora azon’ny olona, ny fandikan-teny tsara fa tsy hoe marina fotsiny. Intỳ misy ohatra: Midika ara-bakiteny hoe “amin’ny fanahy mangotraka” ilay tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 12:11. Tsy tena misy heviny amin’ny teny malagasy anefa io teny io, ka natao mora azo ilay andinin-teny ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Milaza izy io hoe tokony “harehitry ny fanahy” ny Kristianina.

Mbola misy antony hafa mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy vitan’ny hoe mampiasa ny anaran’Andriamanitra sy mazava ary marina tsara izy io, fa mbola zaraina maimaim-poana ihany koa. Na dia ireo olona tsy manana fahafahana hividy Baiboly aza dia afaka mamaky azy io. Olona an-tapitrisany àry no afaka mamaky Baiboly amin’ny fitenin-drazany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara