FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 63
  • Tsy Manaiky Hatao Vaksiny ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Manaiky Hatao Vaksiny ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Manaiky ny Fitsaboana Rehetra ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Zava-dehibe ve ny Fitsaboana Fidinao?
    Mifohaza!—2001
  • Manaiky Hotsaboina ve Ianareo?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Miomàna Hiatrika Fitsaboana Tampoka Dieny Izao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 63
Fitaovana fanaovana vaksiny, anisan’izany ny serengy sy tavoahangy kely misy vaksiny.

Tsy Manaiky Hatao Vaksiny ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy izany mihitsy. Tsy manohitra an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra na hatao vaksiny izy na tsia. Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah mifidy ny hatao vaksiny.

Mitady fitsaboana tsara izahay ary mankasitraka ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa mba hampihenana ny fihanaky ny aretina mampidi-doza. Mankasitraka ny asa mafy ataon’ny mpikarakara fahasalamana izahay, indrindra amin’ny fotoanan’ny krizy.

Manohana ny ezaka ataon’ny fanjakana mba hitandrovana fahasalamana ny Vavolombelon’i Jehovah. Hatramin’izay nisian’ilay valanaretina COVID-19 izay, ohatra, dia namoaka lahatsoratra amin’ny fiteny an-jatony tato amin’ity tranonkala ity ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampirisihana ny olona hanaraka tsara ny toromarika fitandrovana fahasalamana navoakan’ny fanjakana any amin-dry zareo. Anisan’izany ny hoe manaja elanelana, manaraka ny toromarika momba ny fivorivoriana, mihiboka, manasa tanana, manao arovava, ary manaraka an’izay toromarika hafa nasain’ny fanjakana narahina.—Romanina 13:1, 2.

Efa an-taonany maro izay ny Vavolombelon’i Jehovah no niresaka an’ireto toro lalana ireto foana, tao amin’ny zavatra navoakany:

  • Ny tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izay fitsaboana tiany harahina.—Galatianina 6:5.

    “Tsy manohana ny fitsaboana na inona na inona …, na fitsaboana hafa na inona na inona, izahay. … Raharahan’ny tena manokana tanteraka kosa ny fanapahan-kevitra momba izany.”—Mifohaza! 8 Novambra 2000.

    “Ny Kristiana tsirairay dia tsy maintsy manapa-kevitra manokana [raha hanaiky hatao vaksiny izy sy ny zanany na tsia].”​—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1994.

  • Mitady izay fomba hitsaboana anay izahay satria tena sarobidy aminay ny aina.—Asan’ny Apostoly 17:28.

    “Manatona dokotera ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa marary, ary manaiky fomba fitsaboana isan-karazany. Matetika no misy lahatsoratra momba ny fahasalamana ao amin’ny Mifohaza! Tsy mampirisika ny olona hanaraka fomba fitsaboana iray manokana isika ao amin’ireny lahatsoratra ireny. Ankasitrahantsika anefa ny fanampian’ny dokotera sy ny fiaraha-miasan’izy ireo.”—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2008.

    “Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny fitsaboana sy fanafody omena azy. Te ho salama tsara foana sy ho ela velona mantsy izy ireo. Dokotera mihitsy aza ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, toa an’i Lioka, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. ... Tena ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asa mafy sy fahafoizan-tenan’ireo dokotera. Faly koa izy ireo amin’ny fitsaboana omen’ireo mpitsabo ireo.”—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2011.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara