Benjamin Boothroyd—Nampiana-tena Izy dia Lasa Manam-pahaizana Momba ny Baiboly
Nianatra samirery ny teny hebreo ny lehilahy iray avy amin’ny fianakaviana mahantra, dia nandalina ny Soratra Masina. Nandika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy izy avy eo, dia naveriny tamin’ny laoniny ny anaran’Andriamanitra.