FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 28
  • “Jehovah no Namonjy Anay Tsy ho Faty”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Jehovah no Namonjy Anay Tsy ho Faty”
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Nisy Fandrosoana Be Tokoa ve Tamin’ny Andron’ny Mpanjakavavy Elizabeth I?
    Mifohaza!—2010
  • Elizabeta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Teraka ilay mpialoha lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 28
Vehivavy roa miara-mipetraka ao anaty lamasinina mpitondra olona.

“Jehovah no Namonjy Anay Tsy ho Faty”

Maty ny vady malalan’ny vehivavy iray any Inde antsoina hoe Sowbhagya, tamin’ny 2005. Nokarakarain’io lehilahy io tsara foana i Sowbhagya sy Meghana, zanak’izy ireo vavikely telo taona. Sahirana be anefa izao i Sowbhagya vao mahita vola iveloman’izy mianaka.

Tsy vitan’izay fa nailikiliky ny olona i Sowbhagya. Nolazain’ny fianakaviany fa hoe mpangataka izy sy ny zanany, dia averimberin-dry zareo foana hoe enta-mavesatra ho an-dry zareo, hono, izy mianaka. Nanomboka nivavaka tao amin’ny fiangonana iray tany amin-dry zareo i Sowbhagya satria nitady fampaherezana. Nanambanimbany azy anefa ny mpiangona tao satria nahantra izy. Nanomboka nitady asa i Sowbhagya mba tsy hiankina amin’olona intsony ny fiainan’izy mianaka. Tsy nety nahita asa mihitsy anefa izy na dia niezaka mafy nitady aza.

Nahatsapa tena ho tsy misy dikany sady tsy misy mpitia i Sowbhagya. Hoy izy: “Namoy fo aho, dia tapa-kevitra hoe hamono tena. Fantatro anefa hoe hiatrika olana be dia be ny zanako raha tsy eo aho, dia tapa-kevitra aho hoe aleo izahay mianaka mihitsy no hiara-maty.” Lasa àry izy nandeha nividy poizina.

Teny an-dalana hody, tao anaty lamasinina, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Elizabeth nanatona an’i Sowbhagya dia nanomboka niresaka taminy. Rehefa nolazain’i Sowbhagya taminy hoe tsy an’asa izy, dia niteny i Elizabeth hoe hanampy azy hitady. Nilaza koa i Elizabeth hoe handeha hampianatra Baiboly izy tamin’io fotoana io. Gaga be i Sowbhagya naheno an’izany, satria efa be dia be ihany ny fiangonana nalehany fa mbola tsy naheno an’izany hoe olona mianatra Baiboly izany mihitsy izy. Nasain’i Elizabeth ho any aminy i Sowbhagya raha te hahafantatra ny mombamomba an’izany hoe mianatra Baiboly.

Rehefa tonga tany an-trano i Sowbhagya, dia mbola nieritreritra ny hamono tena ihany. Mbola tsy tao an-trano anefa i Meghana fa nisy havan-dry zareo nitondra nandeha, dia nanapa-kevitra i Sowbhagya hoe aleo aloha miandry ny hahatongavany izay vao mamono tena.

Lasa àry aloha izy nankany amin-dry Elizabeth. Noraisin’i Elizabeth tsara izy. Nasehon’i Elizabeth an’i Sowbhagya ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nahaliana an’i Sowbhagya ilay toko hoe “Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?” satria vao haingana ny vadiny no maty. Nanaiky hianatra Baiboly izy, tamin’io andro io ihany.

Nasain’i Elizabeth hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra hatao ny herinandro nanaraka i Sowbhagya, dia nanaiky. Tena tiany be ilay fandaharana dia tapa-kevitra izy hoe te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nanolotra asa izy teny an-dalana hody avy tany amin’ilay fivoriambe.

Nanohy nianatra Baiboly i Sowbhagya. Tsy te hamono tena intsony izy izao, fa lasa misy dikany ny fiainany. Natao batisa izy, dia natao batisa koa i Meghana zanany vavy tatỳ aoriana. Samy mpisava lalana maharitra izy mianaka amin’izao, ary miasa an-tsitrapo ho an’ny biraon’ny fandikan-teny iray any Inde avy any an-tranony i Meghana.

Sowbhagya sy Meghana amin’izao

Tena faly i Sowbhagya sy Meghana hoe nanatona an’i Sowbhagya tao anatin’ilay lamasinina i Elizabeth dia niahy azy sady niresaka taminy momba ny fahamarinana. Tena misaotra an’i Jehovah koa izy mianaka. Hoy i Meghana: “Efa maty efa ela izahay raha tsy nahafantatra ny fahamarinana tamin’iny andro iny. Izao anefa izahay tena faly be. Efa tsy andrinay sy Neny ilay andro ahafahanay mamihina an’i Dada indray. Hampianarinay momba an’i Jehovah izy amin’izay, dia hoteneninay aminy hoe i Jehovah no namonjy anay tsy ho faty.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara