INDONEZIA
Mpisava Lalana Manokana Nandritra ny 50 Taona
Alisten Lumare
TERAKA 1927
BATISA 1962
TANTARANY Inspekteran’ny polisy izy taloha ary mpisava lalana manokana nandritra ny 50 taona mahery.
VOATENDRY ho mpisava lalana manokana tany Manokwari, any Papouasie Andrefana, aho tamin’ny 1964. Nisy fiangonana kely tany ary nenjehin’ny mpitondra fivavahana mafy izy io. Tsy ela taorian’ny nahatongavako, dia niditra an-keriny tao an-tranoko ny mpitondra fivavahana protestanta iray.
Nivazavaza izy hoe: “Horavako ity trano ity ary hataoko tsisy Vavolombelon’i Jehovah intsony eto Manokwari.”
Tsy nampihontsina ahy izany satria efa zatra an’izany aho tamin’izaho polisy. Novaliako moramora izy dia nisaraka tsy nisy raorao izahay.—1 Pet. 3:15.
Valo monja ny mpitory tany Manokwari tamin’izany, nefa misy fiangonana fito any izao, 50 taona eo ho eo atỳ aoriana. Nisy 1 200 mahery no nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra teo an-toerana, tamin’ny 2014. Tena faly aho rehefa mahita ny fomba nitahian’i Jehovah an’io faritra mitokana io.