FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb16 p. 101
  • Sarobidy Taminy ny Harena Ara-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sarobidy Taminy ny Harena Ara-panahy
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Sarobidy ny Mpifanila Trano Tsara Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ahoana ny hevitrao ny amin’ireo fananana ara-nofo?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Tsy Nivadika Nandritra ny 70 Taona Mahery
    Mifohaza!—2009
  • Tena Mahafa-po Ahy ny Fiainako
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
yb16 p. 101

INDONEZIA

Sarobidy Taminy ny Harena Ara-panahy

Thio Seng Bie

  • TERAKA 1906

  • BATISA 1937

  • TANTARANY Anti-panahy izy ary tsy nivadika na dia niharan’ny herisetra vokatry ny fanavakavahana aza.—Notantarain’i Thio Sioe Nio, zanany vavy.

Thio Seng Bie

NISY korontana teto Java Andrefana, tamin’ny Mey 1963, satria betsaka no tsy tia Sinoa. Ny tao Sukabumi no tena mafy, nefa tao izahay no nipetraka. Mpitatitra entana tamin’ny kamiao izahay tamin’izany. Olona an-jatony no niditra an-keriny tao aminay, anisan’izany ny mpiray tanàna taminay. Niara-nitampify izahay sady nihorohoro rehefa nanimba sy nandroba ny fanananay ry zareo.

Nampahery anay ny mpiray tanàna hafa, rehefa lasa ny mpirotaka. Nipetraka teo amin’ny tany tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny ry zareo, niaraka tamin’i Dada. Hitan’i Dada teo amin’ireo entana efa potipotika ny Baiboliny. Nosokafany ilay izy, dia nohazavainy fa efa voalazan’ny Baiboly ireny olana ireny. Noresahiny avy eo ireo zavatra mahafaly hataon’ilay Fanjakana.

Tsy ny hanangona harena eto an-tany no tena nimasoan’i Dada. Naveriny foana hoe: “Ny ara-panahy no tsy maintsy atao loha laharana.” Ohatra tsara izy, ka nanaiky ny fahamarinana izahay enina mianadahy, Neny, Dadabe izay efa 90 taona, ary ireo havanay sy mpiara-monina aminay be dia be.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara