ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA
Mahatalanjona ny Zavatra Hitantsika
Rahalahy jamba avy natao batisa
NANASITRANA lehilahy malemy i Jesosy, indray mandeha, ka “zendana ny rehetra” ary “nanome voninahitra an’Andriamanitra.” (Lioka 5:25, 26) Gaga izy ireo satria nahatalanjona ny zavatra hitany. Mbola mihoatra lavitra noho izany anefa ny zava-bitan’i Jehovah Andriamanitra ankehitriny, amin’ny alalan’ilay Zanany malalany sy ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina ary ireo mpanompony tsy mivadika maneran-tany.