FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb15 p. 24-p. 27 feh. 1
  • Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Video Vaovao Hanombohana Fampianarana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • ‘Hita sy Heno’ Tsara ny Fandaharana Rehetra Rehefa Fivoriambe
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • “Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015
yb15 p. 24-p. 27 feh. 1
Sary, pejy 24

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Ilay Fivoriana Be Mpanatrika Indrindra Nataontsika

OLONA 257 294 tany amin’ny firenena 21 no nanatrika ny fivoriana faha-129 nataon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, ny asabotsy 5 Oktobra 2013. Tao ny nanatrika mivantana, fa nisy kosa nanaraka tamin’ny video nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet. Naverina nalefa ilay video ny ampitson’iny, mba hojeren’ny Vavolombelona hafa. Nitontaly 1 413 676 àry ny mpanatrika, tany amin’ny firenena 31. Iny no be mpanatrika indrindra tamin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay.

Taoriana kelin’ny 1920 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka nampiasa telefaonina na radio, mba hampitana ny fivoriambeny tany amin’ny firenena maro. Izao kosa efa misy Internet, ka afaka manaraka ny fandaharana amin’ny video na dia ny olona any amin’ny toerana mitokana aza. Mety hampitaina mivantana izany na tara kely.

Efa herintaona mahery ny sampana maromaro no nanomana ny fandefasana an’ilay video. Tany Brooklyn, any New York, no nandrindrana an’ilay fampitana mivantana. Niasa andro aman’alina ireo teknisianina, tamin’ny faran’ny herinandro nandefasana an’ilay video, satria maro amin’ireo tany nandefasana an’ilay izy no tsy mitovy ora.

Toerana Nampitana An’ilay Video

  • Foibeny: Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New Jersey, Etazonia; mpanatrika: 4 732

  • Be mpanatrika indrindra: Perth, any Aostralia; mpanatrika: 7 186

  • Farany avaratra: Fairbanks, any Alaska; mpanatrika: 255

  • Farany atsimo: Invercargill, any Nouvelle-Zélande; mpanatrika: 190

  • Lavitra indrindra: Perth, any Aostralia, any amin’ny 18 700 kilaometatra eo ho eo avy any New Jersey

Ahoana no Nampitana An’ilay Video?

  1. Misy kamerà maromaro maka video an’ilay fandaharana.

  2. Alefa any amin’ny fitaovana mandrindra ny sary sy ny feo ny sary azo, mba hifantenana izay tsara indrindra.

  3. Atambatra ho video tokana ilay izy ary alefa any amin’ny foibe mandrindra an’ilay fampitana mivantana, any Brooklyn.

  4. Any indray ilay video no amboarina mba hamoaka sary somary ratsiratsy sy tsara ary tena tsara.

  5. Zarazaraina ho ampahana video folo segondra avy ilay izy.

  6. Azo alefa amin’ny alalan’ny Internet amin’izay ireo ampahana video.

  7. Azo alaina ao amin’ny Internet ireo ampahana video, ary efa nasiana fitaovana afaka maka sy mitahiry azy ireny any amin’ireo toerana hijerena an’ilay fandaharana. Io fitaovana io indray no manambatra azy ireo ho lasa video mandeha tsara.

  8. Afaka mahita sy mandre an’ilay fandaharana ny mpanatrika.

Kisary, pejy 26, 27
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara