Repoblika Dominikanina
TONGA tany Amerika, na ilay tany vaovao, i Christophe Colomb tamin’ny 1492, tamin’ilay dia an-dranomasina nataony. Tany feno zava-tsarobidy izy io. Nantsoiny hoe La Isla Española, na Hispaniola, ny iray tamin’ireo nosy nandalovany. Ny roa ampahatelon’io nosy io izao no misy ny Repoblika Dominikanina. Nahita zava-tsarobidy koa ireo mponina an’arivony ao amin’io tany io, vao haingana, saingy hafa tanteraka ny azy. Fantany fa hisy tany vaovao amin’ny hoavy rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao ny olo-marina. (2 Pet. 3:13) Ho hitanao ato ny tantaran’ireo olona tso-po nahita an’izany zava-tsarobidy izany.