FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb14 p. 105
  • Te Hijery An’ilay Izy ny Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te Hijery An’ilay Izy ny Olona
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
yb14 p. 105

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Te Hijery An’ilay Izy ny Olona

NANDEFA an’ilay horonan-tsary hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa ireo rahalahy teto Freetown, tamin’ny 1956. Izao ny tatitra nataony:

“Nanofa ny trano lehibe indrindra teto Freetown izahay, ary nizara fanasana 1 000. Lasa saina izahay hoe mba ho firy angaha no ho avy. Olona 25 monja no tonga, antsasak’adiny talohan’ny nanombohan’ilay video. Nisy 100 hafa tonga, fahefatr’adiny taorian’izay. Tsy ela dia feno ireo seza 500 tao. Nisy olona 100 nanaiky hitsangana. Mbola nisy 500 tao ivelany satria tsy tafiditra intsony. Nilazana izy ireo fa haverina halefa ilay video rehefa avy eo, raha vonona hiandry izy ireo. Niandry teo ry zareo na avy aza ny orana!”

Nandritra ny taona maro, dia olona 80 000 mahery no nijery an’io video io sy ny video hafa, eran’i Sierra Leone.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara