FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb14 p. 78-81
  • Sierra Leone sy Guinée

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sierra Leone sy Guinée
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
yb14 p. 78-81

Sierra Leone sy Guinée

NISY zanaka hazo kapoaka nitsimoka teo akaikin’ny vavaranon’ny Reniranon’i Sierra Leone, tokony ho 500 taona lasa izay. Namaka izy io ary nitombo nandritra ny 300 taona. Nisy zavatra nahonena nitranga anefa nandritra izany fotoana izany. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy efa ho 150 000 no nandalo teo anoloan’io hazo io, ary naondrana an-tsambo mba hamidy ho andevo tany ivelany.

Ilay Hazo Kapoaka mampahalaza an’i Freetown

Andevo an-jatony no nanao fety teo ambanin’ilay Hazo Kapoaka, tamin’ny 11 Martsa 1792. Nafahana avy tany Amerika mantsy izy ireo, ary naverina tatỳ Afrika. Nanorim-ponenana teo izy ireo, ary nantsoiny hoe Freetown ilay tanàna, ho mariky ny fahafahana efa nandrandrainy hatry ny ela. Nihamaro ny andevo tonga, ka lasa nisy foko afrikanina 100 mahery tao. Ilay Hazo Kapoaka no nataon’izy ireo mariky ny fahafahana sy ny fanantenana.

Efa ho 100 taona izao ny Vavolombelon’i Jehovah eto Sierra Leone no miresaka amin’ny olona hoe mbola hisy ny fahafahana lehibe lavitra, dia ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Rom. 8:21) Tsy handevozin’ny ota sy ny fahafatesana intsony ny olona, rehefa hitondra fiadanana ny Fanjakan’ny Mesia sady hanova ny tany ho Paradisa.—Isaia 9:6, 7; 11:6-9.

Efa 50 taona koa izao ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Sierra Leone no miandraikitra ny asa ao Guinée. Nisy olana ara-politika, ara-tsosialy, ary ara-toe-karena tao amin’io firenena io, ka maro no lasa nanaiky ny hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.

Nitory ny vaovao tsara foana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Sierra Leone sy Guinée, na teo aza ny olana maro. Anisan’izany ny fahasahiranana, fahantrana, herisetra, tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, fombafomba efa raiki-tampisaka, foko misara-bazana, ary herisetra mahatsiravina. Ho hitantsika ato fa tena nahafoy tena ireo mpanompon’i Jehovah ireo, ary tsy voahozongozona ny finoany. Mino izahay fa hanohina ny fonao ny tantaran’izy ireo ary hanatanjaka ny finoanao an’ilay “Andriamanitra manome fanantenana.”—Rom. 15:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara