FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22 Novambra p. 11
  • Andraso Fatratra ny Faran’izao Tontolo Izao fa Aza Atahorana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andraso Fatratra ny Faran’izao Tontolo Izao fa Aza Atahorana
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Mivadika Mihitsy Mandritra ny “Fahoriana Lehibe”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Vaovao Tsara ny Hara-magedona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Ahoana no Fomba Hifaranan’ity Tontolo Ity?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22 Novambra p. 11
Rahalahy iray mianatra an’ilay boky hoe “Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!” Alainy sary an-tsaina ny anjelin’i Jehovah miaro ny mpanompon’Andriamanitra vitsivitsy mandritra ny Aramagedona.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Andraso Fatratra ny Faran’izao Tontolo Izao fa Aza Atahorana

Misy fetrany ny faharetan’i Jehovah amin’izao tontolo izao, ka kely sisa izy dia handringana azy. Horinganina ny fivavahan-diso, hivondrona hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny firenena, ary horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy amin’ny Aramagedona. Miandry fatratra an’ireo zavatra ireo ny Kristianina.

Marina fa tsy fantatsika ny tsipiriany rehetra hitranga amin’ny fahoriana lehibe. Tsy fantatsika, ohatra hoe rahoviana izy io no hanomboka. Tsy fantatsika koa hoe inona ny antony hahatonga ny firenena hanafika ny fivavahana. Tsy fantatsika hoe haharitra hafiriana ny firenena no hanafika ny vahoakan’Andriamanitra, dia inona avy ny zavatra hitranga amin’izany. Tsy fantatsika koa hoe amin’ny fomba ahoana no handringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy amin’ny Aramagedona.

Ao amin’ny Soratra Masina daholo anefa ny zavatra rehetra ilaintsika mba hahatonga antsika tsy hatahotra fa ho be herim-po. Haintsika, ohatra hoe efa miaina amin’ny tapany farany “amin’ny andro farany” isika. (2Ti 3:1) Haintsika koa hoe “hohafohezina” ny fotoana hanafihana ny fivavahana, dia amin’izay tsy ripaka ny fivavahana marina. (Mt 24:22) Fantatsika fa tsy maintsy hamonjy ny vahoakany i Jehovah. (2Pe 2:9) Ary fantatsika fa manao ny marina sy matanjaka be ilay nofidin’i Jehovah mba handringana ny ratsy fanahy sy hiaro ny vahoaka be amin’ny Aramagedona. ​—Ap 19:11, 15, 16.

Hahatonga ny olona ‘ho safotra noho ny tahotra’ ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Ho afaka ‘hijoro tsara sy hitraka’ anefa isika satria matoky hoe efa akaiky ny fanafahana antsika. (Lk 21:26, 28) Hahavita an’izany isika raha mamaky sy misaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah taloha mba hamonjena ny mpanompony, sy ny zavatra nolazainy fa hitranga amin’ny hoavy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara