FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Septambra p. 5
  • Ampiofano Foana ny Fahaizanao Misaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiofano Foana ny Fahaizanao Misaina
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Septambra p. 5

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampiofano Foana ny Fahaizanao Misaina

Mila manazatra ny hozany foana ny atleta raha te hatanjaka tsara. Mila miezaka foana koa isika mba hanazatra ny fahaizantsika misaina. (He 5:14) Mety ho mora hanahaka ny olon-kafa isika rehefa hanapa-kevitra. Tsy maintsy miezaka anefa isika mba hahay hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra. Mbola hampamoahina amin’izay ataontsika mantsy isika tsirairay.​—Ro 14:12.

Tsy tokony hieritreritra isika hoe efa ela no vita batisa dia hety foana ny fanapahan-kevitra raisintsika. Rehefa miantehitra tanteraka amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fandaminany ihany isika vao hahay hanapa-kevitra tsara.​—Js 1:7, 8; Oh 3:5, 6; Mt 24:45.

JEREO ILAY VIDEO HOE “MANÀNA FEON’NY FIERITRERETANA MADIO” FOANA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’​ilay video hoe “‘Manàna Feon’​ny Fieritreretana Madio’ Foana.” Mijery fanasana mariazy i Emma sy ny vadiny.

    Tsy maintsy nanapa-kevitra momba ny inona i Emma?

  • Sary avy amin’​ilay video hoe “‘Manàna Feon’​ny Fieritreretana Madio’ Foana.” Manizingizina ny heviny i Aimée.

    Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy hilaza ny hevitsika manokana rehefa misy raharaha mahakasika ny feon’ny fieritreretana?

  • Sary avy amin’​ilay video hoe “‘Manàna Feon’​ny Fieritreretana Madio’ Foana.” Mangataka torohevitra amin’​i Charlotte sy Alain i Emma.

    Inona no torohevitra tsara nomen’ny mpivady iray ho an’i Emma?

  • Sary avy amin’​ilay video hoe “‘Manàna Feon’​ny Fieritreretana Madio’ Foana.” Manao fikarohana ao amin’​ny “FITEHIRIZAM-BOKIN’​NY Vavolombelon’​i Jehovah” i Emma.

    Taiza i Emma no nahita fanazavana nanampy azy?

Inona no tokony hianteherako rehefa hanapa-kevitra aho?

  • Ny hevitro

  • Ny hevitry ny hafa

  • Toro lalan’ny Baiboly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara