FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Jolay p. 3
  • Miezaha Hangoraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hangoraka
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mba Malahelo Anao ve Izy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Miezaha Hangoraka
    Mifohaza!—2020
  • Mahaiza Mametraka Fanontaniana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Jolay p. 3

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Miezaha Hangoraka

Mangoraka isika raha mahatakatra ny ao an-tsain’ny hafa, izay tsapany, izay zava-dehibe aminy, ary izay ilainy. Raha tena te hanampy olona isika dia hangoraka azy, ary ho tsapan’ilay olona izany. Be fitiavana sy be fiahiana hoatran’i Jehovah isika rehefa mangoraka, ka mahatonga ny olona itoriantsika ho te hahafantatra azy.—Fi 2:4.

Tsy fomba fampianatra fotsiny ilay hoe mangoraka. Tena mangoraka isika raha tsara fanahy sy mihaino tsara an’ilay olona, ary ho hita amin’ny fihetsitsika sy ny endritsika izany. Tena te hanampy azy koa isika. Voamaritsika hoe inona no mahaliana azy, inona no inoany, ary manao ahoana ny zavatra iainany. Manampy azy sy manome ny fanazavana ilainy isika fa tsy manery azy hiova. Ho faly kokoa amin’ny fanompoana isika rehefa manaiky hampiantsika ny olona.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MANGORAKA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Mahafaly ny Manao Mpianatra: Hatsarao ny Fahaizanao... Mangoraka.’ Manazava i Sendra hoe tsy afaka mianatra Baiboly izy.

    Ahoana no ahitana hoe nangoraka i Nita rehefa tara i Sendra?

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Mahafaly ny Manao Mpianatra: Hatsarao ny Fahaizanao... Mangoraka.’ Mangoraka i Nita sady mihaino an’i Sendra.

    Ahoana no ahitana hoe nangoraka i Nita rehefa nilaza i Sendra hoe reraka be izy?

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Mahafaly ny Manao Mpianatra: Hatsarao ny Fahaizanao... Mangoraka.’ Manampy an’i Sendra mampirin-trano i Nita.

    Te hanatona an’i Jehovah ny olona rehefa mangoraka isika

    Ahoana no ahitana hoe nangoraka i Nita rehefa nilaza i Sendra hoe tsy tia mandamindamina izy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara