FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Aogositra p. 3
  • Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha Hanana Toetra Tsara: Herim-po
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Tsy Sarotra Loatra ny hoe Be Herim-po
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • “Mahereza ... ka Ataovy Ilay Asa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Omeo Herim-po Aho
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Aogositra p. 3

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Aza Mivadika fa Efa Akaiky ny Farany

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Tsy ho ela dia hisy zava-mitranga miavaka eto an-tany. Tokony ho be herim-po sy hitoky amin’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay isika amin’io fotoana io. Hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa haringana ny fivavahan-diso. (Mt 24:21; Ap 17:16, 17) Hikorontana be ny fiainana amin’izany, nefa isika mbola mety hitory didim-pitsarana. (Ap 16:21) Hanafika antsika koa i Goga avy any Magoga. (Ezk 38:10-12, 14-16) Hanao zavatra anefa i Jehovah, ka hanomboka ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Ap 16:14, 16) Hanana herim-po hiatrehana an’ireo isika amin’ny hoavy, raha dieny izao dia efa tsy mivadika rehefa iharam-pitsapana.

INONA NO TOKONY HATAO?

  • Araho foana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena, na dia tsy mora aza izany.—Is 5:20

  • Manompoa an’i Jehovah foana miaraka amin’ny mpanompony.—He 10:24, 25

  • Tonga dia araho izay toromarika omen’ny fandaminana.—He 13:17

  • Saintsaino hoe ahoana no namonjen’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny lasa.—2Pe 2:9

  • Mivavaha amin’i Jehovah ary matokia azy.—Sl 112:7, 8

JEREO ILAY VIDEO HOE MILA MANANA HERIM-PO ISIKA—AMPAHANY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Mila Manana Herim-po Isika.’ Ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny anabavy iray. Hatambatra amin’ny fiangonana hafa ny fiangonana misy azy, ary voalaza eo amin’ny tabilao hoe iza no hafindra. Manahy be izy rehefa avy namaky an’ilay izy.

    Nahoana no niharam-pitsapana ny mpitory tao amin’ny fiangonana iray, rehefa nakambana tamin’ny fiangonana hafa ny fiangonana nisy azy ireo?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Mila Manana Herim-po Isika.’ Ilay anabavy teo ihany, miresaka an’ilay fanendrena amin’ny anabavy roa hafa.

    Nahoana isika no lasa be herim-po rehefa zatra mankatò?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Mila Manana Herim-po Isika.’ Ankizilahy iray avy nijery sary mampiseho ny Hara-magedona ao amin’ny boky ‘Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!’ Matahotra izy rehefa misaintsaina ny zavatra hitranga.

    Nahoana isika no mila herim-po rehefa tonga ny Hara-magedona?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Mila Manana Herim-po Isika.’ Josafata sy ireo olona hafa avy any Joda. Tonga eo amin’ny toerana tokony hiadiana izy ireo, nefa hitany hoe efa maty daholo ireo miaramila fahavalo.

    Dieny izao isika dia efa mila herim-po mba ho afaka hiatrika an’ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy

    Inona ny tantara ao amin’ny Baiboly manampy antsika hatoky fa mahavita mamonjy antsika i Jehovah?—2Ta 20:1-24

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara