FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Febroary p. 5
  • Inona no Azon’ny Mpivady Atao mba Hifankatia Kokoa Izy Ireo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azon’ny Mpivady Atao mba Hifankatia Kokoa Izy Ireo?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Arovy ny Tokantranonao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Valin’ireo fanontaniana ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanambadiana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Febroary p. 5
Abrama sy Saray manomana ny entany satria hiala ao Ora. Abrama mitazona kitapo sady mampahery an’i Saray, ary i Saray mampiditra zavatra ao anaty harona.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Azon’ny Mpivady Atao mba Hifankatia Kokoa Izy Ireo?

Ohatra tsara ho an’ny mpivady i Abrahama sy Saraha, satria tena nifankatia sy nifanaja. (Ge 12:11-13; 1Pe 3:6) Niatrika olana anefa izy ireo indraindray, fa tsy hoe nilamina be foana ny tokantranony. Inona no azon’ny mpivady ianarana avy amin’izy ireo?

Miezaha hifampiresaka tsara. Raha tezitra, ohatra, ny vadinao rehefa miresaka aminao, dia miezaha ho tsara fanahy aminy. (Ge 16:5, 6) Manokàna fotoana hiarahana. Asehoy amin’ny zavatra lazainao sy ataonao fa tianao izy. Inona anefa no zava-dehibe indrindra? Miezaha hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Aza hadino àry ny miara-mianatra ny Baiboly, miara-mivavaka, ary miara-manompo. (Mpto 4:12) I Jehovah no namorona ny fanambadiana ary masina izy io aminy. Hanome voninahitra azy ny mpivady raha mifankatia foana.

JEREO ILAY VIDEO HOE INONA NO HANAMPY NY MPIVADY HIFANKATIA FOANA?, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no nampiseho hoe tsy dia nifandray be intsony i Vonjy sy Felana?

  • Nahoana no tena ilain’ny mpivady ny mifampiresaka tsara?

  • Nahoana no nanampy an’i Vonjy sy Felana ny ohatr’i Abrahama sy Saraha?

  • Inona no nataon’i Vonjy sy Felana mba hifandray tsara indray izy ireo?

  • Nahoana ny mpivady no tsy tokony hanantena hoe hilamina be foana ny tokantranon’izy ireo?

Sary: Nalaina avy amin’ilay video hoe ‘Inona no Hanampy ny Mpivady Hifankatia Foana?’ Miezaka i Vonjy sy Felana mba hifankatia kokoa. 1. Mipetraka eo amin’ny seza izy ireo ary tsy mifampiteny. 2. Mifandray tanana izy ireo. 3. Miara-manompo izy ireo sady falifaly.

Afaka ny hifankatia kokoa ianareo mivady!

Misy torohevitra manampy ny mpivady hifankatia kokoa ao amin’ireo lahatsoratra voaresaka eo ambany. Nalaina tao amin’ny Mifohaza! izy ireo, ary hita ao amin’ny jw.org®.

  • “Rehefa Ary Elatra ny Ankizy”​—g17.4 10-11

  • “Ahoana no Handaminana Olana?”​—g16.3 10-11

  • “Diso Fanantenana ve Ianao Rehefa Nanambady?”​—g 3/14 14-15

  • “Henoy Tsara ny Vadinao”​—g 12/13 12-13

  • “Miezaha mba Tsy Hifamaly”​—g 2/13 4-5

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara