FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Oktobra p. 5
  • Misy Vokany Tsara ny Fitondran-tena Madio sy ny Fanajana Lalina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Vokany Tsara ny Fitondran-tena Madio sy ny Fanajana Lalina
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Hajao ny Vadinao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Miantehera Amin’Andriamanitra
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Aza Mivadika Amin’ny Vadinao
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Oktobra p. 5

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Misy Vokany Tsara ny Fitondran-tena Madio sy ny Fanajana Lalina

Efa nanambady ny vehivavy sasany vao lasa Vavolombelona. Raha tsara fitondran-tena izy, dia mety hanaiky ny fahamarinana ny vadiny. Mety hila hiaritra mandritra ny taona maro anefa aloha ilay anabavy. (1Pe 2:21-23; 3:1, 2) Miezaha handresy ny ratsy amin’ny tsara, raha iharan’ny tsy rariny ianao. (Ro 12:21) Mety hisy vokany kokoa noho ny zavatra lazainao mantsy ny zavatra tsara ataonao.

Miezaha hahatakatra ny heviny. (Fi 2:3, 4) Mahaiza mipetraka eo amin’ny toerany ary miezaha hangoraka. Ataovy tsara koa ny andraikitrao ao an-trano. Hajao izy ary henoy tsara. (Jk 1:19) Manàna faharetana, ary omeo toky izy hoe tena tianao. Mety tsy hanaja na ho tsara fanahy hoatr’anao ny vadinao. Tadidio anefa hoe faly i Jehovah mahita anao tsy mivadika.—1Pe 2:19, 20.

JEREO ILAY VIDEO HOE HANAMPY ANTSIKA I JEHOVAH REHEFA MAFY NY MAHAZO ANTSIKA, ARY VALIO IRETO:

  • Nanao ahoana ny fiainan’ny Ranabavy Grace Li tamin’izy vao avy nanambady kelikely?

  • Inona no nahatonga azy ho liana tamin’ny fahamarinana?

  • Ahoana no niatrehany ny fitsapana nahazo azy taorian’ny batisany?

  • Inona no nolazain’ny Ranabavy Li, rehefa nivavaka momba ny vadiny izy?

  • Inona no fitahiana azony noho izy nanana fitondran-tena madio sy nanaja lalina ny vadiny?

Sary avy amin’ilay video hoe ‘Hanampy Antsika i Jehovah Rehefa Mafy ny Mahazo Antsika.’ Aseho eo ny fandrosoana nataon’i Grace Li: 1. Grace Li mitomany. 2. Anabavy iray mampianatra Baiboly an’i Grace Li. 3. Grace Li sy ny zanany handeha hivory. 4. Grace Li sy ny fianakaviany sasany ao amin’ny Efitrano Fanjakana

Misy vokany tsara ny fitondran-tena madio sy ny fanajana lalina!

Ahoana raha efa vita batisa ny vadinao nefa tsy manampy anareo hanompo an’i Jehovah? Miezaha hanana fitondran-tena madio sy hanaja lalina azy. Jereo ilay video hoe Afaka Mampahery Azy Ianao na dia Tsy Miteny Aza.

Anabavy iray mijery an’ilay vadiny tsy mitory intsony
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara