27 Mey–2 Jona
GALATIANINA 1-3
Hira 106 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Nanohitra Azy Imasoimaso Aho”: (10 min.)
[Alefaso ilay video Fampidirana ny Galatianina.]
Ga 2:11-13: Natahotra an’ireo Kristianina jiosy i Petera, ka nihatakataka tamin’ireo rahalahy hafa firenena (w17.04 27 § 16)
Ga 2:14: Nanitsy an’i Petera i Paoly (w13 15/3 5 § 12)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Ga 2:20: Ahoana no tokony hiheveranao ny vidim-panavotana, ary nahoana? (w14 15/9 16 § 20-21)
Ga 3:1: Nahoana ireo Galatianina no nolazain’i Paoly hoe “tsy misaina”? (it “Galatianina, Taratasy ho An’ny”: “Ireo olona nanoratana azy” § 2)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ga 2:11-21 (th lesona 10)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Fiverenana Mitsidika Faharoa: (5 min.) Alefaso ilay video ary iaraho midinika.
Fiverenana Mitsidika Faharoa: (3 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. (th lesona 2)
Fampianarana Baiboly: (5 min. na latsaka) bhs 202 § 18-19 (th lesona 6)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Afaka Mikarakara ny Efitrano Fanjakana Daholo Isika”: (15 min.) Ataon’ny anti-panahy. Alefaso aloha ilay video hoe Karakarao Tsara ny Toeram-pivavahantsika, ary iaraho midinika ireo fanontaniana. Aorian’izay dia adinadino vetivety ny solontenan’ny komity mikarakara ny Efitrano Fanjakana. (Raha tsy manana solontena ny fiangonanareo, dia ny anti-panahy mpandrindra adinadinina. Ny mpandrindra ny fikojakojana kosa adinadinina raha ny fiangonanareo irery no mampiasa an’ilay efitrano.) Manaraka tsara ny fandaharana fikojakojana ny efitrano ve ny fiangonana? Manaraka ny toromarika momba ny aro loza ve isika rehefa manao fikojakojana? Inona no fikojakojana natao tato ho ato, ary inona no kasaina hatao? Raha misy rahalahy sy anabavy efa mahay asa fikojakojana na te hianatra amin’ireo efa mahay, inona no tokony hataony? Inona no azon’ny tsirairay atao mba hikarakarana ny Efitrano Fanjakana, na inona na inona toe-javatra misy azy?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 68
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 72 sy Vavaka