FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb18 Aogositra p. 7
  • Maty ho An’ireo Rahalahy sy Anabavy koa i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maty ho An’ireo Rahalahy sy Anabavy koa i Jesosy
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Manambara ho Marina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Miezaha Hiray Saina Foana
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Aoka ho ao Aminareo Foana ny Toe-tsain’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Manàna Fifankatiavana Lalina”
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
mwb18 Aogositra p. 7
Jesosy miresaka amin’ny mpanara-dia azy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Maty ho An’ireo Rahalahy sy Anabavy koa i Jesosy

Nanome ny ainy ho an’ny olombelona mpanota i Jesosy. (Ro 5:8) Tena faly isika satria hita hoe tia antsika izy matoa nanao an’izany. Mety ho hadinontsika anefa indraindray hoe maty ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika koa izy. Tena tiany izy ireo na dia tsy lavorary aza, toa antsika ihany. Inona no azontsika atao mba hanahafana an’i Jesosy? Ireto misy zavatra telo azo atao. Voalohany, miezaka ny hinamana amin’ny olona isan-karazany. (Ro 15:7; 2Ko 6:12, 13) Faharoa, mitandrina mba tsy hiteny na hanao zavatra mety hanafintohina ny hafa. (Ro 14:13-15) Fahatelo, mamela haingana an’izay nanao zavatra nampalahelo antsika. (Lk 17:3, 4; 23:34) Raha miezaka mafy isika mba hanahaka an’i Jesosy ka manao an’ireo, dia hanampy ny fiangonana hiray saina foana i Jehovah.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA HO TSARA TOETRA KOKOA! ARY VALIO IRETO:

  • Mandray an’i Fitia ny olona ao amin’ilay fiangonany vaovao

    Ahoana no fahitan’i Fitia an’ilay fiangonany vaovao, tamin’ny voalohany?

  • Fitia tezitra amin’ny olona eo anivon’ny fiangonany

    Nahoana anefa no niova ny fahitany an’ilay fiangonana tatỳ aoriana?

  • Jesosy tsara fanahy amin’ny apostoly na dia natory aza izy ireo

    Inona tamin’ny ohatra nomen’i Jesosy no nanampy an’i Fitia hanitsy ny fomba fijeriny? (Mr 14:38)

  • Fitia mihomehy rehefa nodonin’ny ankizilahy iray izy dia very tamin’ny akanjony ny ranom-boankazo tamin’ny verany

    Nahoana ny Ohabolana 19:11 no manampy antsika hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo?

ERITRERETO IZAO:

Mbola tezitra amin’ny olona nampalahelo ahy foana ve aho, nefa tokony hohadinoiko fotsiny ny zavatra nataony?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara