30 Aprily–6 Mey
MARKA 5-6
Hira 151 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Mahavita Manangana An’ireo Havantsika Efa Nodimandry i Jesosy”: (10 min.)
Mr 5:38: Malahelo be isika rehefa misy havantsika nodimandry
Mr 5:39-41: Mahavita manangana an’ireo “matory” ao amin’ny fahafatesana i Jesosy (“tsy maty … fa matory” fanazavana Mr 5:39, nwtsty)
Mr 5:42: Ho ‘faly tsy misy hoatr’izany’ isika rehefa hatsangana ny maty (jy 118 § 6)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Mr 5:19, 20: Nahoana no novan’i Jesosy ny toromarika nomeny, tamin’io fotoana io? (“lazao aminy” fanazavana Mr 5:19, nwtsty)
Mr 6:11: Inona no dikan’ilay hoe “ahintsano ny vovoka amin’ny faladianareo”? (“ahintsano ny vovoka amin’ny faladianareo” fanazavana Mr 6:11, nwtsty)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Mr 6:1-13
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fiverenana Mitsidika Faharoa: (3 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. Asehoy an’ilay olona ny tranonkala jw.org avy eo.
Fiverenana Mitsidika Fahatelo: (3 min. na latsaka) Fidio izay andinin-teny tianao sy izay fanontaniana hovalianao amin’ny manaraka.
Fampianarana Baiboly: (6 min. na latsaka) bhs 36 § 23-24: Miezaha hanohina ny fon’ilay mpianatra.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Ampiasao Tsara Ireo Fitaovana Fampianarana”: (5 min.) Fiaraha-midinika.
Tao Amin’ny Fandaminan’i Jehovah no Nahazoan’izy Ireo Fampiononana: (10 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Inona ny sasany tamin’ireo fitsapana nahazo an’i Larry sy Pam Pera? Inona no nanampy azy ireo hiaritra? Nahoana isika no tokony hanao zavatra ara-panahy foana, na dia miatrika zava-tsarotra aza?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 19 § 1-9
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 72 sy Vavaka