17-23 Jolay
EZEKIELA 18-20
Hira 125 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Manadino ny Heloka Navelany ve i Jehovah?”: (10 min.)
Ezk 18:19, 20: Hovalian’i Jehovah arakaraka izay ataony ny tsirairay (w12 1/7 18 § 2)
Ezk 18:21, 22: Vonona hamela ny heloky ny olona mibebaka i Jehovah, ary tsy hanameloka azy ireo intsony izy noho ilay fahotana nataony (w12 1/7 18 § 3-7)
Ezk 18:23, 32: Efa afa-nenina i Jehovah matoa mandringana ny ratsy fanahy (w08 1/4 8 § 3; w06 1/12 27 § 11)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Ezk 18:29: Nahoana ny Israelita no nihevitra fa tsy nety ny nataon’i Jehovah, ary inona no tokony hataontsika mba tsy hieritreritra hoatr’izany isika? (w13 15/8 11 § 9)
Ezk 20:49: Nahoana ny olona no nieritreritra fa ‘nanao fanoharana’ i Ezekiela, ary inona no lesona raisintsika avy amin’izany? (w07 1/7 14 § 3)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ezk 20:1-12
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) 1Jn 5:19: Ampianaro ny Tena Marina. Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Fiverenana Mitsidika: (4 min. na latsaka) Ge 3:2-5: Ampianaro ny Tena Marina. Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. (Jereo ny mwb16.08 8 § 2.)
Lahateny: (6 min. na latsaka) w16.05 32: Foto-kevitra: Ahoana no Azon’ny Fiangonana Ampisehoana ny Fifaliany Rehefa Ampandrenesina hoe Misy Olona Voaray Indray?
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Resy Lahatra ve Ianao hoe Voavela ny Helokao?”: (10 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso aloha ilay video hoe Aza Mivadika fa Araho Foana ny Fitsipik’i Jehovah: Mahaiza Mamela Heloka.
Manontany ny Tanora: Ahoana no Hataoko Rehefa Izaho no Diso?: (5 min.) Asaivo misy mamaky ny fizarana hoe “Ahoana no Hataonao?” ao amin’ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora: Ahoana no Hataoko Rehefa Izaho no Diso?”. Iaraho midinika ilay lahatsoratra avy eo.
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 15 § 9-17
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 33 sy Vavaka