10-16 Jolay
EZEKIELA 15-17
Hira 49 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Mitana ny Teny Nataonao ve Ianao?”: (10 min.)
Ezk 17:1-4: Nosoloan’i Babylona an’i Zedekia i Joiakina Mpanjaka (w07 1/7 12 § 7)
Ezk 17:7, 15: Nivadika tamin’ny fianianany i Zedekia, ary nila vonjy tamin’i Ejipta (w07 1/7 12 § 7)
Ezk 17:18, 19: Nanantena i Jehovah fa hitana ny teniny i Zedekia (w12 15/10 30 § 11; w88 15/12 17 § 8)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Ezk 16:60: Inona ilay “fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra”, ary iza avy no nanao azy io? (w88 15/12 17 § 7)
Ezk 17:22, 23: Iza ilay ‘rantsana mbola tanora’ nafindran’i Jehovah? (w07 1/7 12 § 7)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ezk 16:28-42
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) wp17.4 matoan-dahatsoratra: Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Fiverenana Mitsidika: (4 min. na latsaka) wp17.4 matoan-dahatsoratra: Resaho fa hampiseho an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ianao (mody asehoy fotsiny fa aza alefa). Iaraho-midinika ilay izy avy eo.
Fampianarana Baiboly: (6 min. na latsaka) fg lesona 11 § 1-2: Asao hivory ilay olona.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hajao ny Voadim-panambadianao na dia Diso Fanantenana aza Ianao Rehefa Nanambady: (10 min.) Lahateny ataon’ny anti-panahy (g 3/14 p. 14-15).
Ataovy Namanao i Jehovah: Milazà ny Marina: (5 min.) Alefaso ilay video Ataovy Namanao i Jehovah: Milazà ny Marina. Mifidiana ankizy vitsivitsy mialoha, ary asaivo mankeny amin’ny lampihazo izy ireo mba hanontaniana momba an’ilay video.
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 15 § 1-8
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 73 sy Vavaka