5-11 Jona
JEREMIA 51-52
Hira 37 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Tanteraka Amin’ny An-tsipiriany ny Tenin’i Jehovah”: (10 min.)
Je 51:11, 28: Efa nolazain’i Jehovah mialoha hoe iza no handresy an’i Babylona (it “Media, Medianina”: “Nandresy an’i Babylona i Media sy Persa”)
Je 51:30: Nilaza mialoha i Jehovah fa tsy hanohitra i Babylona rehefa hotafihina (it “Nabonida”: “Inona no tena resahin’ilay Tantaran’i Nabonida?” § 5)
Je 51:37, 62: Efa nilaza koa izy hoe ho lao i Babylona (it “Babylona”: “Tantara” § 4)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Je 51:25: Nahoana i Babylona no antsoina hoe “tendrombohitra mandravarava”? (it “Tendrombohitra”: “Ampiasaina mba hilazana fanjakana” § 1)
Je 51:42: Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘hiakatra hanafotra an’i Babylona ny ranomasina’? (it “Ranomasina”: “Miaramila mirohotra”)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Je 51:1-11
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy “fomba fitory modely”, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Ampirisiho ny mpitory mba hampiseho amin’ny olona itoriany ny fanazavana ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > HO AN’NY FIANAKAVIANA.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah ve Ianao?”: (15 min.) Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny rehetra mba hiresaka tsindraindray an’ireo faminanian’ny Baiboly amin’ny mpiara-manompo. Hatanjaka ny finoan’ny tsirairay amin’izay.—Ro 1:11, 12.
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 13 § 24-32
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 49 sy Vavaka