2-8 Janoary
ISAIA 24-28
Hira 12 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Mikarakara ny Vahoakany i Jehovah”: (10 min.)
Is 25:4, 5: Fialofana ho an’izay te hanompo azy i Jehovah (ip-1 272 § 5)
Is 25:6: Notanterahin’i Jehovah ilay teniny hoe hanome sakafo ara-panahy be dia be izy (w16.05 24 § 4; ip-1 273 § 6-7)
Is 25:7, 8: Kely sisa dia tsy hisy intsony mandrakizay ny ota sy ny fahafatesana (w14 15/9 26 § 15; ip-1 273-274 § 8-9)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Is 26:15: ‘Itarin’i Jehovah avokoa ny sisin’ilay tany’, ka ahoana no ahafahantsika miara-miasa aminy? (w15 15/7 11 § 18)
Is 26:20: Mety hanondro inona ilay hoe ‘efitrano anatiny’? (w13 15/3 23 § 15-16)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Is 28:1-13
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Azo atolotra mandritra ny Janoary ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, raha misy olona te handalina an’ireo porofo fa tena misy ny Mpamorona. Ampirisiho ny mpitory hampiseho an’ilay video hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, raha vao afaka manao izany.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Zavatra ilain’ny fiangonana: (15 min.) Raha tsy misy zavatra mila resahina amin’ny fiangonana, dia azo ampiasaina ny Diary (yb16 140-142). Asao ny mpanatrika hilaza ny fianarana noraisiny.
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 6 § 8-15 sy ny efajoro “Fivoriambe Nandrisika ny Vahoakan’i Jehovah Hitory”
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 66 sy Vavaka