HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 7-11
“Aza Avela Hivily ny Fonao“
Miaro antsika ny fitsipik’i Jehovah. Tsy maintsy mandatsaka am-po azy ireny anefa isika, raha te handray soa. (Oh 7:3) Ho mora voafitak’i Satana ny mpanompon’i Jehovah raha avelany hivily ny fony. Miresaka tovolahy iray voafitaky ny fony ny Ohabolana toko 7. Inona no lesona raisintsika avy amin’izay nataony?
Tian’i Satana hivadika amin’i Jehovah isika, ka ataony izay hampiasantsika amin’ny fomba ratsy an’ireo vavahadin-tsaina dimy
Ho hitantsika mialoha ny voka-dratsin’ny zavatra ataontsika raha hendry sy mahira-tsaina isika. Tsy hiala amin’i Jehovah isika amin’izay