HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 74-78
Tsarovy ny Zavatra Nataon’i Jehovah
Tena ilaina ny misaintsaina ny zavatra tsara nataon’i Jehovah
Ho haintsika tsara izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa misaintsaina azy io isika. Ho lasa tia sakafo ara-panahy koa isika
Rehefa misaintsaina momba an’i Jehovah isika, dia hotadidintsika foana ny zavatra mahagaga nataony sy izay nampanantenainy antsika
Ireto avy ny zavatra nataon’i Jehovah:
Namorona:
Ho tia sy hanaja kokoa an’i Jehovah isika, rehefa mianatra foana momba ny zavatra noforoniny
Nanendry lehilahy hitarika ny fiangonana:
Mila mankatò an’ireny olona notendren’i Jehovah ireny isika
Namonjy ny vahoakany:
Vao mainka isika matoky hoe te hikarakara ny mpanompony i Jehovah sady mahavita manao an’izany, rehefa mitadidy ny namonjeny ny vahoakany