25-31 Janoary
Ezra 6-10
Hira 10 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Mila Olona Vonona sy Mazoto i Jehovah”: (10 min.)
Ezr 7:10: Nanomana ny fony i Ezra
Ezr 7:12-28: Nanomana zavatra be dia be i Ezra, talohan’ny hiverenana tany Jerosalema
Ezr 8:21-23: Natoky i Ezra fa hiaro ny mpanompony i Jehovah
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Ezr 9:1, 2: Nahoana no tena ratsy ny nanambady an’ireo “mponina manodidina”? (w06 15/1 20 § 1)
Ezr 10:3: Nahoana ny ankizy no nalefa nody niaraka tamin’ny reniny? (w06 15/1 20 § 2)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: Ezr 7:18-28 (4 min. na latsaka)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) Atolory ny bokikely Vaovao Tsara, ka iaraho midinika ny lesona 8, fanontaniana 1, fehintsoratra 1. Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Fiverenana Mitsidika: (4 min. na latsaka) Olona nandray ny bokikely Vaovao Tsara no tsidihina. Iaraho midinika ny lesona 8, fanontaniana 1, fehintsoratra 2. Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Fampianarana Baiboly: (6 min. na latsaka) Ampiasao ny bokikely Vaovao Tsara, lesona 8, fanontaniana 2.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Hatsarao ny Fanompoanao: Aoka Ianao ho Vonona Hanao Fiverenana Mitsidika”: (7 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ny video Modely ho An’ny Janoary. Mariho hoe inona no nataon’ilay mpitory rehefa avy nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny bokikely Vaovao Tsara, mba ho mora aminy ny hanao fiverenana mitsidika.
Zavatra ilain’ny fiangonana: (8 min.)
Fianarana Baiboly: ia toko 7 § 15-27, famerenana (30 min.)
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 120 sy Vavaka