Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary
“Mety ho tsara kokoa ve ny fiainana raha samy mampihatra an’ity torohevitra ity daholo ny olona? [Vakio ny Hebreo 13:18, ary avelao izy hamaly.] Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanao ny marina amin’ny zava-drehetra, izany hoe amin’izay rehetra ataontsika isan’andro. Izany no resahin’ity gazety ity.”
Mifohaza! Janoary
“Mba te hanome anao an’ity gazety ity aho. [Omeo azy ilay gazety.] Ahoana ny hevitrao amin’ity fanontaniana eto amin’ny pejy faha-2 ity? [Avelao izy hamaly.] Misy torohevitra hanampy antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara eo amin’ny fiainana ato amin’ity lahatsoratra ity.”