Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Febroary: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny bokikely: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (ho an’ny Silamo), Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (hanaporofoana hoe diso ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika. Martsa sy Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mey: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na ny iray amin’ireto: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?, ary Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Izao no lohatenin’ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana 2015: “Ho Sambatra Tanteraka ny Fianakaviana Amin’ny Hoavy.”