Nahoana Isika no Tokony ‘Hazoto Amin’ny Asa Tsara’?
Mazoto amin’ny asa tsara ve ianao? Tena tokony ho toy izany isika satria mpitory ilay Fanjakana. Diniho izay voalazan’ny Titosy 2:11-14:
Andininy 11: Inona ilay “hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra”, ary inona no soa raisintsika avy amin’izy io?—Rom. 3:23, 24.
Andininy 12: Mampianatra antsika hanao inona ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra?
Andininy 13 sy 14: Efa voadio isika, ka inona no antenaintsika? Inona no antony lehibe nanadiovana antsika tamin’ny fitondran-tena ratsin’ity tontolo ity?
Nahoana ireo andininy ireo no mandrisika antsika hazoto amin’ny asa tsara?