Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 30 Jona 2014.
Nahoana no mila saintsainina tsara ny toro lalana ao amin’ny Eksodosy 23:2 rehefa hifidy fialam-boly? [5 Mey, w11 15/7 p. 10-11, feh. 3-7]
Nahoana no tena zava-dehibe ilay didy hoe tsy maintsy misasa ny mpisorona alohan’ny hanaovany fanatitra? Inona no fampitandremana raisin’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny avy amin’izany? (Eks. 30:18-21) [19 Mey, w96 1/7 p. 9, feh. 9; lv p. 88, feh. 6-7]
Nahoana i Arona no tsy voasazy tamin’izy nanamboatra an’ilay ombikely volamena? (Eks. 32:1-8, 25-35) [19 Mey, w04 15/3 p. 27, feh. 4]
Nandrara ny Israelita tsy hanambady olona manompo andriamani-kafa i Jehovah. Nahoana izany no mitovy amin’ny fiheveran’ny Kristianina ny fanambadiana sy ny fiarahana alohan’ny fanambadiana? (Eks. 34:12-16) [26 Mey, w90 1/2 p. 20-21, feh. 11-13; lv p. 113, feh. 9-10]
Nahoana no mampahery antsika ny zavatra niainan’i Bezalila sy Oholiaba? (Eks. 35:30-35) [26 Mey, w10 15/9 p. 10, feh. 13]
Nanao satroka nisy “famantarana masina hoe voatokana ho an’Andriamanitra” ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. Mampahatsiahy azy ireo inona ilay famantarana, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Eks. 39:30, f.a.p.) [2 Jona, w01 1/2 p. 14, feh. 2-3]
Inona no tsy maintsy ataon’ny Kristianina iray raha fantany hoe nanao fahotana lehibe ny mpiara-manompo aminy? (Lev. 5:1) [9 Jona, w11 15/8 p. 30, feh. 15; w97 15/8 p. 27]
Inona no antony nanaovana sorona iombonana, tamin’ny andron’ny Israelita? Inona no mifanitsy amin’izany ankehitriny? (Lev. 7:31-33) [16 Jona, w12 15/1 p. 19, feh. 11-12]
Inona no mety ho tafiditra tamin’ny fahotana nataon’i Nadaba sy Abiho, zanak’i Arona? Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? (Lev. 10:1, 2, 9) [23 Jona, w04 15/5 p. 22, feh. 7-9]
Nahoana ny vehivavy no nolazaina hoe “maloto” rehefa tera-bao? (Lev. 12:2, 5) [23 Jona, w04 15/5 p. 23, feh. 2]